Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fianianan’ny minisitra : Fandrebirebena saim-bahoaka no nampanaovin’i Andry Rajoelina

La gazette de la grande île
15/01/20242 minute read

Mazava dia mazava ny lalàna eto amin’ny firenena mahakasika ny kolikoly atao ho an’ny mpitondra ambony toy ny filohan’ny andrim-panjakana dia ny filohan’ny repoblika, ny depiote, ny senatera, ny HCC na ny filohan’ny fitsarana avo momba ny la lalampanorenana fa tsy azo alefa amin’ny mpanao fanadihadiana ny fangalarana na fanodikodinana ny volam-panjakana izy ireo.
Voalaza amin’ny lalàna ihany koa fa manana izany fahefana izany koa ny minisitra.
Jereo ny tatitra nataon’ny « conseil de discipline budgétaire et financière » tatitra 2018-2019 pejy faha 9: »la loi prévoit que toute personne ayant commis une faute relative aux règles de gestion budgétaire et financière (CDBF) peut être traduite devant le CDBF, à la seule et unique exception des chefs d’institution et des membres du gouvernement »
Dia jereo koa ny HCC na ny fahefana avo momba ny fitsarana fa tsy nitsara na nanokatra fanadihadiana tamin’ny volam-panjakana nahodikodin ‘ny ministra tao anatin’ny vo taona nitsangana izay (2017 – 2024)
Ny Bianco sy ny Samifine inona no olona ambony mpitondra nosamborina tao amin’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly ireo? Efa polo taonany nefa no nitsanganany.
Ny cour des comptes na ny fitsarana manokana momba ny volam-panjakana dia manao tatitra am-pahabemaso ny halatra sy ny fahadisoana momba ny fitantanam-bola amin’ny fanjakana isan-taona ary mahatratra 200 pejy raha kely indrindra no lazainy amin’izany, nefa dia tsy misy olona voasambotra sy nogadraina ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ambony voakasika amin’izany.
Ohatra vitsy ireo ka moa ve hahasolo ny lalàna izay misy eto amin’ny fanjakana ny « serment » na fianianana nampanaovin’i Andry Rajoelina ny alahady 14 Janoary 2024 iny? Mahasolo lalàna ve ny serment mbola averinay indray. Tsia ny valiny avy hatrany. Resaka fandrebirebena saim-bahoaka fotsiny iny. Ho hitantsika ny fampiharana izany. Mbola nitranga ange izany tany Mahajanga tamin’ny raharaha vary lo izay nataon’ny depiote ny governemanta ary ny lehibe ny ladoany sy ny tale ny varotra any an-toerana herinandro droit lasa izay nefa dia tsy no gadraina ilay depiote sy ny governora fa ireo olona roa tsy manana fahefana politika ireo no any am-ponja noho izany nefa samy na ao sonia nu famoahana ny vary lo io.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top