Malaza tsy ihinanana toy ny vilin-tsahona ireo antoko politikan-dRajoelina toy ny Tgv sy ny mapar. Voalaza fa tsy tambo isaina ny mpikambana anatin’ireo antoko politika ireo kanefa dia teknisiana ivelan’ny antoko politikan-dRajoelina hotendrena minisitra. Ny fanendrena olona hisahana raharaham-pirenena eo anivon’ ny fanjakana, toy ny minisitra dia tsy mitovy amin’ny fanendrena olona hisahana raharaha ara- teknika na hitantana orin’asa. Ny fandraisana olona hitantana orin’asa dia antso tolotr’asa na « offre d’emploi ». dia mandefa taratasy fangatahan’asa miampy cv izay maniry horaisina tale na tonia any amin’ny orin’asa…ny fanendrena minisitra kosa dia resaka politika 100/100. Io no itarafana ny antoko politika nahazo ny fahefam-panjakana toy ny Tgv, raha manana olona hisahana raharaham-pirenena na tsia. Ny antoko politika, matoa nahazo fahefana dia heverina fa manana ny karazan’olona ilain’ny firenena iray, manomboka amin’ny filohampirenena ka hatramin’ny filohampokontany. Heverina fa misy ny teknisiana isan-tokony ao, na injenieran’ny fambolena na asa vaventy na fiompiana na profesora amin’ny fitsaboana, lalàna, ekonomia, sy ny sisa…heverina fa misy fanabeazana sy fitaizana ara-potokevitr’ilay antoko politika natao tamin’ireny mpikambana, ka heverina fa vonona hitondra fanjakana ilay antoko,dia ny olony no tendreny rehefa azony ny fahefana. Toerana iray na roa no mety omena olona hafa, teknisiana hafa na olona avy amin’ny antoko vonona hiara -miasa. Io ilay hoe fisokafana na « ouverture ». Tsy fahaizana mitondra firenena ary midika fa poaka aty ilay antoko nahazo fahefana raha mbola hiantso olona hafa hanatitra cv hotendrena minisitra…. eny na ho filohampokontany aza. Ny lojikan’ny nanendrena ny praiminisitra Ntsay Christian ohatra dia efa taratr’izany satria tsy Tgv… na natolotry ny antoko politika manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena ao Tsimbazaza aza. Izy no voatendry izany araka ny voalazan’ny andinin-dalàna mamaritra izany. Koa nahoana raha ny teknisiana avy amin’io antoko politika mijoro io , ary ambara fa manana ny tanjany raha samy antoko politika eto amin’ny firenena no isafidianana izay mpikambana eo anivon’ny governemanta, raha manana teknisiana tokoa. Ny marina dia sady tsy manana teknisiana ampy traikefa sy tena manao politika ny Tgv…fa poaka aty. Mety koa tsy azon’ny ny filohampirenena sy ny praiminisitra itokisana izy ireny matoa manao tolo-barotra na tolotr’asa fanaon’ny orinasa iray toy izao. Hatreto izany dia poaka aty ireo antoko politikan’ny mpitondra fanjakana. Misy antenaina ve izany raha mbola Kotozafy ihany ny Leksisy hoy ny fitenenana?
Fanendrena governemanta : Poaka aty ny antoko Tgv
La gazette de la grande île
15/01/2024•3 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312637
Your IP Address: 18.224.55.193
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »