Miteraka resabe eo anivon’ny tontolo ny asa fanaovan-gazety ity lalàna mitondra ny laharana 002/2024 tamin’ny 24 Janoary 2024 izay nolanian’ny depiote sy ny senatera farany teo mahakasika ny fanolanana eto Madagasikara ity.
Nivory tao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ny mpanao gazety mpikirakira ny tranga mpiara-monina ny talata faha 6 Febroary 2024. Fivoriana izay nokarakarain’ny UNICEF na ny foiben’ny firenena mikambana momba ny ankizy. Mazava ho azy fa ny fanolanana zaza no tena nifantohan’ity atrikasa ity. Latsaka ambany toa ireny depiote mivory ireny ny raharaha satria dia maro ny hevitra nivohitra tamin’izany izay manakina iny lalàna iny.
Voalohany indrindra dia maro ny mpanao gazety no nahatsapa fa ratsy tefy iny lalàna iny. Nampifandraisina tamin’ny lalàna 2007-023 sy ny lalàna 2019 – 008 (VBG) ity lalàna vaovao ity.
Ny dikan’ny fanolanana no tena tsy mazava amin’ity raharaha ity satria maro dia maro no tsy mifanaraka amin’ny zava-misy iainana eto Madagasikara na amin fiaraha-monina na amin’ny fomba na amin’ny fampiharana ny lalàna. Isany ny olana koa ny mahakasika ny fanabeazana eo anatrehan’izany izay mametra ny ray aman-dreny tsy hahazo hananatra ny zanany fa raha vao manao fihetsika sy fiteny tsy ankasitrahan’ny zanany dia efa migadra manomboka izao.
Ny tena olana dia ny handraisan’ny any ambanivohitra ity lalàna ity satria dia maro no tsy hahalala fa fahadisoana eo anatrehan’ny lalàna ny fitenenana sy ny fihetsika izay ataony amin’ny fananarana ny zanany. Tsy ho tenenina intsony ny mahakasika ny fiarahana ara-nofo na samy eo amin’ny mpivady fa indrindra amin’ny tanora. Tsy mitovy velively koa ny famaritana ny atao hoe zaza sy ny tanora fa indrindra amin’ny fotoana tokony hanaovany firaisana ara-nofo amin’izany.
Ny lalàna dia lalàna tsy te hahalala izay ka rehefa tratrany dia saziana sy gadrainy. Tsy vitan’izany fa sazy mandra-pahafatiny no voalazan’ ity lalàna ity sy famosirana ny lehilahy koa.
Maro dia maro ny tsikera nentin’ ny mpanao gazety tamin’ity lalàna ity. Tokony tany amin’ny parlemanta roa tonta no nisian’ity ady hevitra ity. Efa tara nefa ny hevitra navoakan’ireto mpanao gazety ireto. Ny azo ataon’ny fanjakàna izany dia ny fampitomboana ny fonja fa tsy ho ampy ity raharaha ity intsony ny fonja efa misy amin’izao fotoana izao.
Lalàna momba ny fanolanana : Ny mpanao gazety indray no manao ady hevitra parlemantera
La gazette de la grande île
07/02/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312536
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »