Azo lazaina fa tsy misy zavatra mandeha mihitsy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Midangana izay tsy izy ny vidim-piainana. Mirongatra tsy hay tenenina intsony ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo ary ny fanaovana takalon’aina. Midina ambany ny sandan’ny vola ariary. Mitombo andro aman’alina ny mpangataka sy ny mahantra ary efa mitsindrona eny amin’ny fanariam-pako miaraka amin’ny alika ny ankamaroan’ny mahantra ireo. Potika ny lalana rehetra manerana an’i Madagasikara. Ny lafiny fampianarana sy ny fahasalama dia tsy tenenina intsony fa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony. Voatery niverina amin’ny fomba nentim-paharazana ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy amin’ny fitsaboana . Ny fampianarana moa dia nidina izay tsy izy ny lentany ka ny zanaky ny mpanam-bola sisa no manana fampianarana manara-penitra. Potika i Madagasikara vokatr’izany.
Iray volana mahery izao no teo amin’ny fitondrana ny governemanta vaovao ity. Tsy hita izay taratry ny fahombiazana izay ataon’ireo minisitra voatendry ireo. Zato andro no nomena azy ireo hampisehoany ny fahaiza-manao. Hita fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny raharaham-pirenena rehetra. Resaka revirevin’i Andry Rajoelina fotsiny izany Madagasika tsy maintsy mandroso izany. Tsy azo inoana ny hampandroso an’i Madagasikara amin’izao fitondrana izao
Mampalahelo ny firenena.
Zato andro fitsapana ny governemanta : Be dia be no minisitra ho voaroaka
La gazette de la grande île
18/02/2024•55 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312649
Your IP Address: 18.189.184.99
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »