Omaly alatsinainy faha 19 febtoary 2024 ny fisokafan’ny tsena iraisam-pirenena mahakasika ny volamena malagasy. Afaka manondrana izany ny mpandraharaha eto Madagasikara mahazo alalana ho amin’izany.
2kg no volamena volohany nanokafana ny tsena ity ka ny minisitry ny harena ankibon’ny tany Olivier Herindrainy Rakotomalala no nanao izany tamin’ny alalan’ny fanjakana malagasy.
60 000 dolara no voalaza fa vidin’ny volamena 1kg amin’ny tsena iraisam-pirenena. Voalaza fa Dobay sy Inde no lalam-barotra amin’izany hatramin’izao. 15 taonina isan-taona no haondrana. Raha atao ny kajy dia vola 5 miliara 635 milles ariary no tetimbidin’izany raha kely indrindra.
Ny mpanaraka ny raharaham-pirenena dia miteny avy hatrany fa ho toa ny raharaha lavanily sy ny jirofo ary ny vatosoa sy ny andramena koa ity raharaha ity. Voa maika hampahantra an’i Madagasikara indray.
Tsy matoky ny fitondrana intsony ny vahoaka.
Mandeha dia mandeha moa ny resaka ankehitriny fa izany no antony nanokafana ny zotra an’habakabaka Dobay sy Madagasikara ity.
Fanondranana volamena any ivelany : Dobay sy Inde no hivarotana izany voalohany.
La gazette de la grande île
21/02/2024•43 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312489
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »