Tao anatin’ny herinandro izay dia nahitana fanoherana ny mpitandro ny filaminana nataon’ny vahoaka maromaro tamin’ny toerana maro. Lasibatra tamin’izany ny biraon’ny zandary tao Ankazomiriotra, ny kaomisaria ny polisy tany Antsiranana ary ny vahoaka nilahatra tany Ambatondrazaka noho ny resaka resaka Jirama.
Toerana telo mifanalavitra ireo ary tsy mifandray koa. Samy tezitra amin’ny fitondrana ankehitriny avokoa ka manao fitsaram-bahoaka sy misotro ny aleko-maty.
Mikorontana ny fiainam-pirenena fa maro ny zavatra tsy voafehin’ny fitondrana intsony. Isan’izany ny fiakaran’ny vidim-piainana izay niakarana hatrany amin’ ny 20% isan-kerinandro. Ambany dia ambany ny fahefa-mividy ny mponina satria nidina ambany ny sandan’ny vola ariary. Tsy tenenina intsony ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy izay manerana an’i Madagasikara. Tsy tenenina intsony ny kolikoly avo lenta izay ataon’ny mpitondra nefa dia jerem-potsiny hatramin’izao.
Mampanahy mafy ny hisian’ny krizy sosialy sy toe-karena noho izany. Izany rehetra izany no mahatonga io fitsaram-bahoaka miseho ankehitriny io.
Fiainam-pirenena : Manomboka ny fitsaram-bahoaka
La gazette de la grande île
21/02/2024•43 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312456
Your IP Address: 3.135.194.138
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »