Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Tale jeneraly ny hetra Miady mafy amin’ny fampidiran-ketra

La gazette de la grande île
01/05/20242 minute read

Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay dia namory matetika ny orinasa isan-karazany sy ny fikambanana teo Antananarivo ny tale jeneralin’ny hetra Germain. Nihaona tamin’ny GEM izy tamin’ny voalohan’ny herinandro ity. Androany talata faha 30 aprily 2024 ity indray dia nihaona tamin’ny ORCFM na ny « ordre des experts comptables et financiers de Madagascar » . Ary fantatra fa mbola hitohy any amin’ny sehatra hafa koa izany amin’ny andro manaraka.
Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia tsy ampy intsony ny vola ao amin’ny fanjakana ao hampandehanana ny raharaham-pirenena. Efa nomena vaovao mahakasika izany isika omaly saingy mbola mitohy ny vaovao mahakasika ny olana ny tsy fahampian’ny volam-panjakana ity. Mampanahy mafy ny hisian’ny fahatapahan’ny karaman’ny mpiasam-panjakana raha mitohy izao. Resaka momba ny hampidirana hetra haingana no ataon’ny DGI Germain sy ny ministeran’ny toe-karena sy vola izao. Ny mahagaga dia ny tsy fahasahiana mampihatra avy hatrany ny lalàna fa mbola anontaniana ireo olona izay takiana ny hetra indray. Misy zavatra tsy mazava ao.
Ankilan’ny indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia mitalaho mafy sy mandadilady mihitsy manao izay hahazoana volabe amin’ny alalan’ny IDA izay mivory atsy Kenya amin’ny fotoana izao. Ny mpangataka indray no miady varotra satria efa alohalika ny fahantrana eto Madagasikara. Tsy menatra intsony hoy ny fitenenana.
Manahy mafy ny hoavy ara-toekarena eto Madagasikara ny mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny mpiray ombinantoka iraisam-pirenena miaraka amin’i malagasy. Sarotra ny raharaha satria mety hitarika krizy izay hiafara amin’ny Fitroaram-bahoaka izao raharaha izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top