Fa misy inona marina no ao amin’ny kianjan’ny 13 may etsy Analakely no dia ambenana mafy tsy misy toa izany? Any amin’ny 67ha no milahatra ny sendikan’ny mpiasa eto Antananarivo, ka Analakely no fenoina Emmo/reg. Tsy vitan’izany fa mbola itondrana fiarabe mitondra basy marovana ireny koa.
Tena ambenin’ny fitondrana Rajoelina izay tsy izy ity toerana ity. Misy fanafody milevina ve ao sa efa fahakanosà fotsiny izao? Hatramin’ny nijoroan’ny fitondrana Rajoelina dia tsy misy atahorany mafy raha tsy ny fidiran’ny mpanao fihetsiketsehana eo amin’ity toerana ity. Maro no resaka mandeha amin’ny kianjan’ny 13 May ity satria teo no fiandohan’ny fanonganam-panjakana rehetra teto Madagasikara.
Mahakasika ny fanehoan-kevitra nataon’ ireo sendikan’ny mpiasa teto Antananarivo dia azo lazaina hoe reraka dia reraka ny mpiasa malagasy. Tsy nahasarika olona intsony ny fankalazana ny andron’ny 1er May ity. Toa kabary fotsiny sy filaharana no sisa. Nangingina eran’i Madagasikara tamin’ny fankalazana ny fetin’ny asa ity. Azo lazaina fa malemy tanteraka ny sendikà n’ny mpiasa malagasy.
1er May 2024 : Feno mpitandro ny filaminana teo amin’ny kianjan’ ny 13 may
La gazette de la grande île
01/05/2024•47 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313636
Your IP Address: 3.141.32.53
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »