Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Mahabo : Mampihorohoro ny vahoaka ny kandidàn’ny IRD : ny procureur Andrianirainy Narcisse

La gazette de la grande île
02/05/20242 minute read

Tena fampihorohoroana tanteraka ny vahoaka mihitsy no ataon’ny kandidàn’ny IRD ( Isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina) sy ny mpomba azy any amin’ny distrikan’i Mahabo ao amin’ny faritr’i Menabe.
Fampihorohoroana ho gadraina no ataony amin’ny sefom-pokontany sy ny ben’ny tanàna ary ireo raiamandreny toa teny any amin’ity distrika ity. Izay tsy hifidy azy hono amin’ny fifidianana izay ho depiote amin’ny faha 29 May 2024 izao dia rahonany ho gadraina . Potehina ny filohampirenena Andry Rajoelina sy ny fitondrana noho izany. Loza no zavatra hitranga raha izany olona izany no ho lasa depiote. Alefan’ ity Procureur Andrianirainy Narcisse ity any ambanivohitra any ny mpiara-miasa aminy sy ny mpomba akaiky miaraka amin’ny zandary ao Mahabo ka manery ny vahoaka hifidy azy. Izany zavatra izany dia mitranga tao Ankilizato sy tao Mahabo. Tsy vitan’izany fa mampihorohoro ireo olona mivory any an-tranony izay tsy momba azy izy, toa ny nitranga tao Majabokely ny marainan’ny alakamisy faharoan’ny volana May . Zandary roa sy ny mpomba akaiky ny procureur ity no niditra tao amin’ny tranon’ny olona iray izay mpomba ny kandidà hafa ka noravan’izy ireo ny fanomanana izay nataon’ireto olona ireto amin’ny fifidianana. Nanamafy ireto zandary ireto fa hisambotra sy hampigadra ireto olona nivory ireto.
Marobe no toerana izay tratran’izany kanefa misy ireo izay olona tsy mety hiaraka aminy.
Zava-doza no misy any ambanivohitra rehetra any ankehitriny ataon’ny kandidà-panjakana ireto. Aiza ny CENI, ny HCC ary ny fiaraha-monim-pirenena mpanara-maso ny fifidianana eo anatrehan’ny zavatra toa izany?

Raharahan-jiolahimboto tanteraka toa izao no ataon’ny kandidà sasantsasany ao amin’ny IRMAR ao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top