Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Grevin’ny oniversite : Mafana ny eny Vontovorona sy ny eny Ankatso

La gazette de la grande île
03/05/20242 minute read

Tsy manaiky ny fandoavana ny fatsimpianna telo volana fotsiny ireo mpianatra eny Vontovorona izay mpanofana ny injeniera eto Madagasikara. Toa izany koa ny mpianatra eny Ankatso. Vatsim-pianarana dimy volana, miampy ny fanatsarana ny trano fipetrahana, ny fandehanan’ny rano ary koa ny tambajotran’ny fifandraisana anterineto. Tsy izany ihany fa mbola mitaky ny vatsimpianarana tsy naloan’ny fanjakana nandritra ny taom-pianarana 2022 sy 2023 izy ireo. Izany rehetra izany miaraka amin’ny fampitaovana no takian’ny ireo haloa indray mandeha.
Na dia navoaka aza ny tetiandro ny fandoavana ny fatsimpianna telo volana voalaza eo ambony ireo dia miha mahery vaika ny grevy. Androany zoma faha 3 May 2024 dia mafy noho ny omaly ny fifandonana tamin’ny mpitandro ny filaminana. Naharitra ora maromaro ny ady teo amin’ny roa tonta teny Ankatso . Tsy no azo aleha teny amin’ny oniversite Ankatso vokatr’izany. Tsy nianatra ny mpianatra , ary tapaka avokoa ny asan ‘ireo olona manodidina teny.
Sahirana mafy ny fanjakana satria tsy ampy intsony ny vola ao amin’ny tahirim-bola. Tsy avelan’ ny mpitandro filaminana hidirana etsy amin’ny « payeur général » etsy Antaninarenina raha misy olona hitady fanazavana momba ny tsy fahampian’ny vola ao amin’ny fanjakana izao.
Ahiana ny hitaran’ny grevy ity amin’ny oniversite hafa ary any amin’ny departemanta hafa koa. Mandeha be ny resaka fa banky ropitra ny fanjakana malagasy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top