Ny 8 may 2024 izao no hanomboka ny fivoriana ara-potoana tsy maintsy hataon’ny depiote. Raha teny Tsimbazaza izahay mpanao gazety dia mbola tsy misy depiote 10 no tonga tao amin’ny lapam-panjakana ity. Ny azo antoka dia zara raha hisy solombavambahoaka ho tonga amin’ny fivoriana izao.
Mandeha ny resaka fa hosokafana ny fivoriana dia halefa hody ny depiote mandritra ny iray volana hanao propagandy. Dia aorian’ny fifidianana indray hono no hotohizana ny fivoriana. Tena resaka adala no hitranga. Ny fivoriana hatao nefa ny propagandy tsy maintsy hatao koa. Tena resaka adala tokoa izany.
Inoana fa handeha hoazy koa ny fa fandaniana ny teti-bolam-panjakana hasiampanovana na ny LFR izao. Ny LFR ity izay hisy fanahenana 25 % mihitsy noho ny tsy fahampian’ny vola miditra amin’ny fanjakan intsony. Tsy miraharaha izany ny depiote fa ny propagandy no maika izao fa ny volam-panjakana izany tsy laharam-pahamehana.
Ny zava-misy dia tsy hisy ny mpivory ao Tsimbazaza ao nefa tsy maintsy haloha ny fanjakana foana ny tambin-karama sy ny karaman’izy ireo. Malahelo ny firenena. Dia izany no zava-misy dia handroso ve i Madagasikara?