Mpiasan’ny ministeran’ny fitantanam-bola iray no mpitantara fa tsy ampy intsony ny vola handoavana ny filan’ny fanjakana amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.
Efa ho volana maromaro izao no voatery tsy maintsy mampihemotra ny fandoavana faktiora sy ny vatsim-pianarana ary ny sandan’asa izay tokony haloan’ny fanjakana amin’ireo olona manan-jo hahazo izany. Tsy izany ihany fa manify dia manify koa ny vola miditra hanefana ny vola karaman’ny mpiasam-panjakana. Atahorana mafy ny mety hisian’ny fahatarana mihoampampana amin’ny fanomezana vola ny mpiasa ireo. Azo lazaina fa misedra fahasahiranana mafy ny tahirim-bolam-panjakana amin’izao fotoana izao. Ahiana hiseho indray ny olana ara-bola toa ny tamin’ny taona 1990-1991 ka nahatonga ny krizy politika teto Madagasikara iny.
Ny loharanom-baovao ihany no milaza fa efa tsy marisika hiakatra birao intsony ny minisitry ny vola Rindra Hasimbelo. Matetika hoy ny loharanom-baovao dia milaza fa marary izy.
Ny zava-misy koa dia tsy tonga hatramin’izao ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara toa ny vola fanampiny na ny « aide budgétaire » izay tonga isakin’ny volana desambra raha ela indrindra. Toa izany koa ny FEC na ny (fond élargie de crédit), izay vola fanome ny firenena mahantra toa an’i Madagasikara izay tokony ho azo nefa tsy mety tonga foana hatramin’izao. Tsy ireo ihany fa ny vola fanampiana isan-karazany izay tokony homen’i reo komity iraisam-pirenena mpiara-miasa amin’i Madagasikara. Misy antony ao matoa tonga amin’izao kihon-dalana mety hitarika krizy sy korontana eto amin’ny firenena izao.
Sahirana mafy ny fitondrana fa indrindra i Andry Rajoelina noho izany ka miantso vonjy etsy sy eroa nefa tsy mahazo satria tsy mazava ny fitantanam-bola ao amin’ny fanjakana ao.
Ministeran’ny toe-karena sy ny vola :Tsy ampy intsony ny volam-panjakana
La gazette de la grande île
06/05/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313564
Your IP Address: 3.149.253.73
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »