Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Manakara : Ota fady ny tanana ary simbaina ny bako

La gazette de la grande île
07/05/202453 second read

Eo anatrehan’ny fifidianana solombavambahoaka misy ankehitriny dia mitaraina ireo raiamandreny Antemoro izay tafaresaka taminay fa ota fady i Manakara noho ny ataon’ny fanjakana ankehitriny. Moa ve hoy izy ireo dia tsy nahita olona hafa ankoatran’io kandidam-panjakana io ry zareo. Tsy mety aminay io nefa moa hatao ahoana fa io no nalefan’ny fanjakana.
Iarahana mahalala fa manana ny fomban-drazana izay mbola hajainy hatramin’izao ny Antemoro. Tokony mba hanaja ny fomba ihany ny mpanao politika hoy hatrany ny feon’ireo raiamandreny ireo. Aza hararaotina amin’ny fahantrany ny vahoaka ka ny vola no natakalo ny fomban-drazana. Mampalahelo ny toa izao nefa moa azy ny fitondrana sy ny fahefana ka inona no azo atao. Malahelo amin’ny fanosihosena ny fombany sy ny fadiny izy ireo.
Hoan’ny firenena iray dia lehibe loatra ny kolotsaina sy ny fanajana ny Bako izay antony nametrahana ny ministeran’ny kolontsaina. Aza hosihosena hono ny fomba malagasy na inona no fandrosoana misy ankehitriny fa izany no mahavery Hasina ny malagasy sy ny firenena amin’izao fotoana izao ka fototry ny fahantrana izao hoy hatrany ny hafatra avy amin’izy ireo. Mieritrereta ihany!

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top