Nangingina tanteraka ny fiantombohan’ny propagandy manerana an’ny Madagasikara androany alarobia faha 8 May 2024. Tsy nisy famoriana olona sy fanehoan-kevitra ny andro androany. Mozika mankarenintsofina no heno avy amin’ny tranon’olona vitsy izay misy ireo atao hoe « quartier général » irony. Tsy mbola nahitana koa ireo olona mitondra fanamiana manokana ireny koa. Mbola madio koa ny tabilao fametahana sary. Ny zavatra tsikaritra koa dia any amin’ny onjam-peo sy ny televiziona no misy ny propagandy amin’izao fotoana izao.
Miandry ny fizaram-bola sy ny zavatra maro koa ny ankamaroan’ny olona. Efa izay no fomba eto Madagasikara amin’ny fotoana izao..
Maro ny kandidà no efa lany vola satria nandeha mafy loatra tamin’ny fanomanana, ny hoentimihetsika tsy ampy loatra. Dia jo hitantsika ihany ny mety ho fizotran’ny propagandy ity fa toa mangingina beny ihany. Misy mihitsy aza kandidà izay tsy fanta-bahoaka mihitsy hatramin’izao. Izay be vola ihany no hahazo tombony eo.
Fanombohan’ny propagandy Tsy taitra ny olona
La gazette de la grande île
08/05/2024•43 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313983
Your IP Address: 3.144.249.63
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »