Potika tanteraka ny fanaovana politika eto Madagasikara. Miady ny asan’ny minisitra mpanatanteraka ny ankamaroan’ny depiote izay manao propagandy amin’izao fotoana izao. Volena fampianarana ratsy sy diso ny vahoaka ankehitriny. Asa na efa vokatrin’ny fitiavam-bola bola be loatra ka tsy afaka misaina intsony. Na manao fanahiniana te hangoron-karena amin’ny fanaovana politika fotsiny ka mieritreritra hihinam-bolam-bahoaka sy hangalatra indray hanonitra ny vola lany amin’ny fifidianana.
Milaza ny kandidà roa nanao propagandy eto Antananarivo dia Randy sy Ndrianjato fa tsy ampy ny vola ny CIAD na ilay CLD teo aloha hanampiana ny asa hatao eny amin’ny vahoaka ka tokony hampiana . Raha tonga depiote hono izy ireo dia hangataka an’io vola io atao ho 2 miliara fmg raha kely indrindra.
Izay no fahadisoana tanteraka amin’ny fanaovana politika ankehitriny. Ny depiote ange ka tsy mpampiasa vola na mpitantana vola na koa mpanao asa sosialy na asa fampandrosoana fa mpanao lalàna no andraikiny. Ny antsika eto Madagasikara ihany no nomena io vola tantanan’ny depiote io manerana ny tany. Nanomboka ny taona 1993 tamin’ny andron’ny Zafy Albert no nanao io fomba ratsy io ny depiote malagasy satria hono mba te hitantam-bola mitovy amin’ny ministra. Nanomboka 320 millions fmg io vola io ka lasa 1miliara ariary mahery amin’izao fotoana izao. Voa maika aza nampahantra ny malagasy io vola io fa kosa nahatonga ny depiote ho lasa mpandraharaha indray taty afara. Diso dia diso tanteraka izany ary famigaham-bahoaka tsotra izao. Io vola io no lasa fanonerana ny lany amin’ny propagandy ankehitriny.
Tsy ireo kandidà depiote voalaza eo ambony @ ireo ihany no manana izany fomba fijery izany fa maro izy ireo no manana fisainana mitovy amin’izany.
Dia hifangaro izany ny asan’ny depiote sy ny governemanta ka samy hitantam-bolam-panjakana avokoa ao aoriana kely ao.
Midika izao fa manaonao foana ny mpanao politika malagasy ankehitriny . Tsy mahagaga raha toa ka lanilaniana fahatany ny lalàna na eny Tsimbazaza fa ny hitantam-bola no mahamaika.
Fifidianana depiote : Mitady 2 miliara ariary mahery ho tantaniny ny ankamaroan’ny kandidà
La gazette de la grande île
12/05/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
314426
Your IP Address: 3.144.249.63
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »