Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Mila averina ny fifampitokisana miaraka amin’ireo Mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana.

La gazette de la grande île
22/05/202445 second read

Be laotra ireo olona ratsy eo anivon’ny andry mpanjakana Malagasy, any ka tsy atokisan’ny Mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana. Olon-dratsy sady tontakely izay maniry fotsiny fiainana mora sy hahazoana tombony haingana.

Io ny porofo mitohaka amin’ ny tenda:

“ Nanome famatsiam-bola 15 tapitrisa dolara, i Etazonia, amin’ny alalan’ny USAID, ho fanampiana ho an’ireo Malagasy maherin’ny 535.000 tratry ny rivodoza Gamane izay namely ny avaratra atsinanan’i Madagasikara tamin’ny volana martsa. Ity famatsiam-bola ity dia hampiasaina hanohanana ny “World Food Program”, ny “FAO”, ny “UNICEF” ary ny “Médecins du Monde” mba hanomezana fanampiana ara-tsakafo sy ara-tsakafo, ary koa ny fikarakarana sy ny fahasalamana ary ny famerenana ny fiveloman’ireo vondrom-piarahamonina voakasika.”

Mba hiverenan’ny fifampitokisana dia mila olona mandala ny fahamarinana ny tomponandraikitra maro eny anivon’ ny andry mpanjakana rehetra eny . Olona mandala fahamarinana , Olona manao fihetsika amim-pahalalam-pomba ary mififandray mifototra amin’ny fanajana, ny fiaraha-miasa, ny matihanina ary ny tsy mampiseo fanavakavahana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top