Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifidianana depiote : Mikorontana ny distrika maro

La gazette de la grande île
02/06/20242 minute read

Nodoran’ny olona ny CENI na ny birao mahaleotena momba ny fifidianana sy ny biraon’ny distrika tany Tsihombe any amin’ny faritanin’i Toliara ny herinandro lasa teo. Toa izany koa ny biraon’ny CENI tany Tsiroanomandidy.
Nilahatra in-droa izay ny ny mpomba an’i Razanamahasoa Christine any Ambatofinandrahana fa tsy manaiky ny vokam-pifidianana koa satria resin’ny kandidà Irmar Razafindrabary Richard izy amin’ny vokatra vonjimaika manerana ny distrika.
Manapatapaka fahefana ny depiote Ninah any Mahajanga ka mampisambotra ny mpomba ny kandidà manohitra azy, ka olona efatra no tazoniny zandary amin’izao fotoana izao.
Any Manakara dia manomana fihetsiketsehana ny mpanohitra sy ny vahoaka tsy faly amin’ny fanamparam-pahefana ataon’ny kandidà Irmar.
Ny any Toliara indray dia tezitra amin’ny ataon’ny Irmar tarihin’i Tonoka Roberto sy Maharante Jean de Dieu ny vahoaka satria mihevitra ny hamilibily ny vato azon’ny kandidà Siteny Randrianasoloniaiko izy ireo amin’ny alalan’ny fahefam-panjakana.
Fa mbola fanodikodinana vato koa no ka sain’i Joceline Irmar any Antseranana ankehitriny noho ny fahareseny.
Any Faratsiho dia manantena ny hangala-bato koa i Lalatiana Rakotondrazafy izay minisitrin’ny fampianarana teknika eo anatrehan’ny fahareseny.
Any amin’ny distrikan’i Mahabo any Menabe koa dia misavorovoro izay tsy izy ny fifidianana satria dia manampatra fahefana ny kandidà Irmar antsoina Narcisse ity ka mampiasa ny zandary sy ny sefom-pokontany hanova ny vokatra any ambanivohitra araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.
Marobe no mikorontana toa izany ny distrika maro manerana an’i Madagasikara ankehitriny noho ny fifidianana depiote ity. Fangalarambato tsy mbola nisy toa izany hoy ny resaka mandeha etsy sy eroa.
Mampanahy mafy ny hisian’ny korontana aorian’ny fivoahan’ny vokatra ofisialy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top