Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Vaovaon’ny Nosy

La gazette de la grande île
07/06/20243 minute read

HCC
Tsy mahatoky azy intsony ny vahoaka

Tsy misy olona mahatoky ny HCC na ny fahefana avo momba ny lalàmpanorenana intsony eto Madagasikara na dia ny antokon’ny fitondrana aza.
Miahiahy mafy ny fanampiany ny kandidàm-panjakana ny olona rehetra. Izay fironan’ny hevitry ny olona mankany amin’ny fanakianana izay no zava-doza hoan’ny fitondrana ankehitriny io.
Na inona na inona ho filaza dia tsy hino ny zavatra lazainy ny vahoaka.
Zava-doza eo amin’ny fiainam-pirenena ny tsy fihainoan’ny vahoaka ny andrim-panjakana sy ny fitondrana toa izao ka tokony hitandrina mafy ity HCC ity mba hisian’ny filaminana eto, eo anatrehan’ny savorovoro politika efa mihamafy izao.
Marihana fa hatramin’ny antoko mpanohana ny fitondrana avy no mitarika savorovoro politika amin’izao fotoana izao toa ny mitranga any Faratsiho sy Toliara ary any Mahajanga.

Tinoka Roberto sy Lalatiana Rakotondrazafy
Hamotika ny fanjakan’i Andry Rajoelina

Dia mazava izany izao fa tena miady an-trano ny IRMAR sy ny IRD ary ny TGV izay vondron’antoko miaraka amin’i Andry Rajoelina.
Tena fanakorontanana ny fanjakana sy ny filohampirenena mihintsy no ataon’i Lalatiana Rakotondrazafy sy Tinoka Roberto amin’izao fiandrasana ny valim-pifidianana izao.
I Lalatiana Rakotondrazafy dia efa fantatra izao fa resy mazava tsara any Faratsiho dia mbola mikiribiby hoe mandresy hatrany ary manantena ny HCC na ny fahefana avo momba ny lalàmpanorenana ny hanova ny valim-pifidianana indray. Manao tsindry amin’ny gazety sy ny televiziona ity farany. Mampiasa sy manakarama olona hanao vavolombelona mandainga izay fantatra fa olona nokaramaina ireny asehony amin’ny tele ireny.
Ny any Toliara dia toa izany ihany koa no ataon’i Tinoka Roberto sy Maharante Jean de Dieu. Milaza izy ireo fa nangalatra hono i Siteny Randrianasoloniaiko.
Ny mpandinika ny raharaham-pirenena dia samy mahafantatra fa tsy misy manara-dalàna ny mpifaninana rehetra na ny mpomba ny fanjakana izany na ireo mpanohitra izany. Eny fa na dia olona tsotra aza dia milaza fa maloto ny politika eto Madagasikara. Samy mpangalatra avokoa fa izay resy dia milaza fa olomasina sy madio dia mivazavaza manao angona tenda manaratsy ny mpifaninana aminy.
Aoka hazava ny raharaha fa raha toa ka hitroatra ny malagasy dia noho izy roa ireo.
Aiza no hisy mpanohitra hibaiko mpiasam-panjakana izany. Tsy maintsy ny mpomba sy ny kandidàm-panjakana no afaka manao izany. Fa matoa resy izy ireo dia ny vahoaka no tsy tia azy ireo intsony.
Hiankinan-javatra maro sy miantoka ny filaminana eo amin’ny firenena ny HCC ka tokony hitandrina izy ireo. Maro loatra ny fitarainana momba ity fifidianana ity.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top