Very tanteraka ny fanantenana amin’ny malagasy amin’ny hisian’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy miraharaha izay hataon’i Andry Rajoelina sy Ntsay Christian eo ny malagasy. Izay ataony eo dia tsy raharahan’ny vahoaka intsony na dia zazakely menavava aza. Leo tanteraka ny fanjakana tanànan’i zao fitondrana Andry izao ny malagasy maro an’isa.
Nanantena fanovana ny Praiminisitra Ntsay Christian izay sokajian’ny ankamaroan’ny malagasy fa isan’ny tsy mampandeha ny raharaham-pirenena izao ary mampahantra ny olona nefa indrisy fa fahadisoam-panantenana tanteraka no nitranga ankehitriny fa mbola notendreny fanindiminy ho Praiminisitra lehibe ny governemanta indray i Ntsay Christian.
Izany tsy firaharahiana ny fanendrena izay izay ho mpikambana ao amin’ny governemanta izany dia efa fikomiana avy amin’ny vahoaka koa. Matetika dia tsy miraharaha ny feom-bahoaka ny mpitondra rehefa mahazo toerana. Fahadisoana tanteraka izany satria ny toa izany no mitarika fitroarana sy krizy lalina eo amin’ny firenena matetika .
Governemanta Ntsay : Tsy raharahan’ny vahoaka na zazakely aza no hotendrena eo
La gazette de la grande île
17/07/2024•42 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312242
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »