Tsy mandeha intsony ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Ny fitantanana ny asam-panjakana no ahitana taratra izany voalohany. Tsy misy fitantanana mandeha intsony fa zara raha afaka manao ny asa farany kely indrindra ny mpiasam-panjakana. Lany andro mitanisa ny fiainana efa tsy mahomby intsony ny ankamaroan’ny mpiasa any amin’ny birao rehetra any. Zara koa raha miasa fa miandry lera hodiana sisa no hita ombieny ombieny. Ny fidirana birao anefa efa amin’ny sivy ora vao tonga.
Tsy ampy koa ny volam-panjakana hampiodina ny asa ka nahena izay tsy izy ny teti-bolam-panjakana nasiana fanitsiana farany teo. 35%no fihenana isaky ny ministera. Midika izany fa lany vola ity fanjakana ity ka zara raha mandeha ny asam-panjakana. Mety ho tonga any amin’ny tsy fahafahana handoa ny karama izany raha mitohy.
Fantatra koa fa tsy mbola tonga ilay, « aide budgétaire » izay omen’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izay miantoka ny 75% ny fandaniana eto amin’ny firenena isan-taona hatramin’ny taona 2024 ity. Ity vola ity izay ny volana novambra ny taona lasa no tokony handraisana azy raha ny zava-misy hatramin’izay. Tsy nanome izany intsony ny mpamatsy vola ka mahagaga ihany ankehitriny. Ny fitondrana moa tsy mitondra fanazavana na kely aza.
Fahantrana tsy hay tenenina intsony no misy eto amin’ny firenena. Tsy manana vahaolana ny mpitondra.
Ny zava-misy dia mifanome tsiny ny malagasy. Ny ao anatin’ny fitondrana miady an-trano. Miady seza ka izay tsy mahazo dia manome tsiny ny fanjakana. Ny mpanohitra faly mitsikera ny mpitondra sy manome tsiny ihany koa nefa fantatra fa mitady toerana no tena tanjona amin’izany ka raha vao antsoina dia tsy mahaleo lamba. Ny vahoaka indray dia manome tsiny ny mpitondra. Tsy afaka mihetsika fa sady matahotra ny higadra no voailikilikon’ny mpitondra koa.
Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena. Samy manonofinofy fiovana daholo ny ankamaroany ny olona. Tsy azo antenaina nefa izany fandrosoana izany raha izao fitantanana ny firenena izao no mitohy.
Raharaham-pirenena : Lany andro mifanome tsiny ny malagasy
La gazette de la grande île
28/07/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312250
Your IP Address: 3.144.103.20
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »