Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

NAOTY NAVOAKAN’NY MTEFoP : Tsy voatery mandeha ho azy intsony ny  fanavaozana  ny fifanarahana arak’asa eny amin’ny asam-panjakana

La gazette de la grande île
22/08/20243 minute read

Hitombo isa indray ny tsy an’asa. Fandroahana mivantana fa efa tsy an-kolaka intsony no ataon’ny fitondrana Rajoelina raha iny natoty navoakan’ny ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana nivoaka ny 07 aogositra lasa teo iny, nosoniavin-dRamatoa Minisitra manao fampandehanan-draharaha andavanandro. Voalaza’io fampahafanatarana Laharana 096/MTEFoP io fa tsy voatery hitohy avy hatrany ny fifanarahana atao amin’ireo mpiasa tsy mbola mpiasam-pianjakana raikitra (agents non encadrés de l’Etat). Izany hoe mety hovoaroaka amin’ny fotoana rehetra izy ireo sady tsy afaka manantena fifanarahana vaovao intsony.

Mampanontany  tena hoe fa inona loatra no mahazo ireo tompon’andraikitra nandray ity fanapahan-kevitra ity ? Ny fitadiavana asa efa mampikolay ireo tanora nahavita fianarana mbola esorina sy ahilika indray ireo izay efa mba manana fanantenana hotafiditra ho mpiasam-panjakana. Anokatra izay, raha fampandehanan-draharaha andavanandro no asa sahanin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta dia azo sokajiana ho izany tokoa izao naoty mampikorontana izao.

Ho potika kokoa ny fampianarana

Ireo mpampianatra no maro an’isa amin’ny mpiasam-panjakana eto Madagasikara. Vantany vao nivaoka ilay naoty dia ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana no velon-taraina sy tapi-dalan-kaleha satria sady very fotoana maro no efa nizaka ny tseran’ny aina amin’ity karama ambany dia ambany. « Raha nampoizina izao trangan-javatra izao dia tsy niditra taty amin’ity sehatra ity ny tenako, tsy naleo ve nitady asa tany amin’ny sehatra tsy miankina, ohatra, saingy nentin’ny fitiavana taranaka hoe hanasoa azy ireo, izay ilay hoe asa masina ny fampianarana… » Io no nambaran’ny mampianatra iray tamin’alahelo satria fantany fa tsy ho voaray mpiasam-panjakana raikitra mihitsy izy na dia efa nanao ny asa nandritra ny 14 taona aza. Eto isika izany dia samy mitazana ny fahapotehan’ny zaza malagasy satria tsy ho ampy indray ireo mpampianatra.

Ahilikilika ireo PAT

Voakasika amin’ity resaka ity ihany koa ireo mpandraharaha any anaty birao (Personnel Administratif et Technique) izay tena mampandeha ny asam-panjakana eny anivon’ireo ministera, ny rantsa-mangaika samihafa ary  sampan-draharaha manerana ny nosy. Azo eritreretina ve ny iray andro tsy iasana’izy ireo ? Fanaovana tsinotsinona azy ireo izao fampitahorana sy fanilihana azy ireo izao. Raha fampanantenana fa horaisina mpiasa raikitra no omena azy ireo hatramin’izay dia izao tsy fanavaozana taratasy fifanarahana izao no setriny. Hitaintaina isaka ny fiafaran’ny fifanaraha ireto mpiasa malagasy manomboka izao, hitohy sa tsy hitohy ny asany, ny tena marina azo ambara dia fanesorana faobe azy ireo no atao. Ho re matetika izany atao ho ato ny hoe « tapitra contrat dia tsy an’asa ». Mamelona ankohonana anefa ireo mpiasa ireo,

Tsy tsapan’ireo mpitondra ve ny voka-dratsin’io fanapahan-kevitra io sa dia iza loatra ireo mpanolotsaina manapoizina, hitombo ny tsy fandriam-pahalemana rehefa miakatra ny tahan’ny tsy an’asa. Zary lasa resaka fotsiny ilay fijerevana ny sosialim-bahoaka sy fanomezan-daja ny maha olona. Raha famoronan’asa no nandrandraina dia naoty mampihorohoro no nivoaka. Efa mitsangana ny governemanta ary misy minisitra voatendry eo amin’ny toerany misahana ny asa koa irariana mba hiverina amin’ity fanapahan-kevitra ity, efa mahazatra an’izao fitondrana izao rahateo moa ny mivadibadika, koa amin’ity indray mitoraka ity, maninona moa, mahasoa ny vahoaka izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top