Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Volam-panjakana : Sepotra ny fanjakan-dRajoelina

La gazette de la grande île
09/09/20242 minute read

Tsy afaka mandoa ny vola hafa ankoatran’ny karaman’ny mpiasam-panjakana intsony ny fitondrana Andry Rajoelina sy ny governemanta Ntsay Christian. Mampatahotra ny mpanaraka ny vaovao ny raharaha ity satria dia mety ho tonga hatrany amin’ny fahatapahan’ny karaman’ny mpiasam-panjakana koa raha toa ka tsy mahita vaha olana ny fitondram-panjakana io.
Ny zava-misy dia nahena 62%ny teti-bolam-panjakana 2024. Tsy misy koa ny fandraisana mpiasam-panjakana ankoatran’ny polisy sy ny zandary. Tsy misy hatramin’ny taratasy sy ny kojakoja hoentina hampiodina ny asam-panjakana.
Araka ny zava-misy hatramin’izao dia tsy azo intsony ilay antsoina hoe « aide budgétaire » na vola fanampy avy amin’ny komity iraisam-pirenena izay fandrain’i Madagasikara.
Sepotra tanteraka ny fitondrana ankehitriny. Atahorana noho izany ny hisian’ny krizy sosialy sy politika ary ekonomika mahery vaika eto amin’ny firenena afaka kelikely eo. Miezaka ny mitety firenena maro ny filoha Rajoelina hatramin’izay naha voafidy azy izay indray, nefa dia tsy mahita vola ho entina hamaha olana amin’ny krizy ara-bola misy ankehitriny ity. Tsy misy mety manolo-tanana ny mpamatsy vola any ivelany.
Ny zava-misy dia efa mahatsapa izao raharaha izao ny sendikan’ny mpiasa malagasy ka efa mampaneno lakolosy ankehitriny.
Hita taratra amin’ny fiainan’ny mponina izao krizy ara-bola misy amin’ny fanjakana izao. Betsaka ny zaza tsy niditra an-tsekoly amin’izao taom-pianarana vaovao izao. Mahantra izay tsy izy ny 90% ny malagasy raha ny tombatombana misy ankehitriny. Tsy manana vaha olana ny fitondrana. Mampanahy ny hoavin’i Malagasy ato anatin’ny volana hoavy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top