Valo volana izay no nanombohan’ny ‘ny mandà vaovao mandritry ny dimy taona ity fitondrana ity (2024-2029).
Nofitahina sy no rebirebena tamin’ ny fanasana atidoha hoe » Madagasikara tsy maintsy mandroso » ny vahoaka malagasy. Dia roboka tanteraka. Nasaina nandihy sy nihoby izany teny filamatra izany ka tsy afaka nandinika sy nisaintsaina intsony tratran’ny tolotolotra kely madinika. Voafitaka tamin’ny vary kely sy ny hena fahefany kilao ary ny tosika famenoana avy amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena. Hatramin’ny ONG Krismasy izay fanomezana kilalao avy amin’ny zaza amerikana natao fanomezana ho an’ny kilonga mahantra eto Madagasikara no nanaovana propagandy nakotrokotroka tamin’ izany. Dia nino tokoa ny malagasy kely saina fa handroso i Madagasikara.
Indrisy ankehitriny fa na ireo mpomba ny filohampirenena Andry Rajoelina aza tsy miteny izany teny filamatra izany intsony. Efa azo ny tanjona ka navela eo ireo malagasy vendrana sy fohy fisainana. Tsy hita taratra mihitsy izany fandrosoana izany.
Fahantrana, fahalovana, fijaliana no iainan’ny malagasy ankehitriny. Tsy manakotenenina intsony fa mivavaka mitalaho amin’Andriamanitra sisa no ataony. Manenina nefa tsy afaka intsony. Potika ny firenena e. Lavabe toa ny zato taona ny dimy taona hitohizan’izao fitondrana izao.
Fitondrana Rajoelina : Maty ilay « Madagasikara tsy maintsy mandroso »
La gazette de la grande île
11/09/2024•54 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313449
Your IP Address: 3.137.176.213
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »