Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Hôtel de ville Analakely : Nambenan’ny foloalindahy ny Emmo /nat aman-jatony indray

La gazette de la grande île
12/09/202454 second read

Gaga daholo ny olona izay nandalo tao Analakely androany alarobia faha 11 Septambra 2024. Feno miaramila avy amin’ny Emmo /nat indray manoloana ny hôtel de ville ao Analakely. Vao mangiran-dratsy dia efa tonga teo ireo miaramila sy zandary ary polisy. Fiarakodia marobe koa no tonga teo miaraka amin’izy ireo. Ahatsiarovana ny korontana tamin’ny volana oktobra teo ity raharaha nitranga androany ity. Samy nanontany tena izay rehetra nandalo teo.
Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha hoy ny fitenenana.
Fampitahorana sy fampihorohoroana ve no dikan’ ireny sa fahatahorana? Ireto miaramila sy zandary izay nanontaniana teo dia samy tsy nisy milaza ny heviny fa iraka hono no tanterahina.
Midika izao fa tsy milamina ny tanàna. Misy zavatra atahoran’ny fanjakana mafy ao.
Misy zavatra atahorana mafy eo amin’ity ‘kianjan’ ny 13 may ity ka atahoran’ny fitondrampanjakana amin’izao ity. Misy zava-miafina sa nohon’ny tantara teto amin’ny firenena ka tsy azo anehoana hevitra sy fitakiana intsony? Mistery ny zavatra hita androany satria tsy misy na inona na inona mitranga eto amin’ny firenena nefa dia ambenana mafy toa izao ity kianjan’ny 13 may ity. Mahagaga ihany ny zavatra nitranga androany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top