Mandry am-pahalemana tanteraka ny mponina ao amin’ny faritra Menabe ankehitriny. Tapa-doha izay mpangalatra tratra sy azon’ny kolonely Faneva sy ny tariny. Tao anatin’ny volana maromaro izay dia tsy nahitana asan-dahalo intsony ity faritra ity. Araka ny loharanom-baovao azo dia lasa nandositra nakany amin’ny faritra Amoron’i Mania fa indrindra ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ireo dahalo tsy maty voatapa-doha tany amin’ny faritry Menabe. Mandry fahalemana tanteraka any an-toerana tao anatin’ny volana maromaro nahatongavan’ity kolonely Faneva ity. Tsy misangy sy tsy mandray kolikoly ary tsy mifidy tavan’olona fa rehefa dahalo dia tapahana loha raha tratrany. Efa am-polony maro ny dahalo sy mpangalatra voatapa-doha noho izany. Ary eo imason’ ny vahoaka no anavahana ny lohan’izy tratra. Marihina koa anefa fa mampianatra ireo tanora any an-toerana ity kolonely ity ka maro ireo dahalo niova fo amin’izao fotoana izao.
Vokatr’izany dia tsy misy dahalo intsony any hatramin’izao fotoana izao. Hatraty Miandrivazo, Malaimbandy, Ankilizato ka hatrany Mahabo-Morondava sy Belo/Tsiribihina ka hatrany Manja dia nangina tanteraka ny asan-dahalo.
Be dia be ny resaka mandeha nohon’ny fomba entin’ny kolonely Faneva ity ny fampandrian-tany any Menabe saingy tena mankasitra azy ny vahoaka satria nilamina ny tany.
Menabe : Tapa-doha izay dahalo tratra
La gazette de la grande île
22/10/2024•55 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312185
Your IP Address: 52.15.37.74
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »