Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Banky sy tahirim-bola iraisam-pirenena : Miady mafy i Madagasikara mba hahazo famatsiam-bola

La gazette de la grande île
26/10/20242 minute read

Sahirana mafy ny minisitry ny vola sy toe-karena Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison izay mitarika ny Delegasionina malagasy any Washington amin’izao fotoana izao mitondra ny antotan-taratasin’ny fitondrana malagasy handresy lahatra amin’ny hanampiana an’i Madagasikara.
Mamonjy ireo mpamatsy vola hafa koa izy mba hahazoana famatsiam-bola hafa koa ivelan’ny banky iraisam-pirenena sy ny tahirim-bola iraisam-pirenena ireto.
Sarotra anefa ny raharaha satria mifandray daholo izy rehetra ireo na dia samy manana ny sehatra iasany sy ny fireneny koa aza. Rehefa tsy ankatoaviavin’ny mpamatsy vola iray dia sarotra koa no fankatoavan’ ny hafa.
Fantatra fa mitokona na azo lazaina fa tsy misy mety manome vola an’i Madagasikara ny mpamatsy vola amin’izao fotoana izao noho ny fomba fitantanana eto Madagasikara. Haraton’aina sisa no mba azo ary mbola misy fepetra maro aza takiana vao mivoaka ireny vola ireny toa ny FEC (Fond élargie de crédit) izay natao hoan’ny firenena mahantra indrindra toa an’i Madagasikara. Tsy izany ihany fa mbola olana koa ny fahazoana vola ny tetibola fampiny na ny « aide budgétaire » tamin’ny taona 2024 ity. Voatery nampidinina ny teti-bolam-panjakana 2024 noho izany ka izao hita fa tsy mandeha ny raharaham-pirenena izao. Tsy voaloha intsony ny volan’ireo mpandraharaha manao asa amin’ny fanjakana ankehitriny.
Manao izay ezaka mafy mangataka ny minisitry ny vola sy ny toe-karena Vola Hasimbelo sy ny teknisianina malagasy mba hahazoana vola saingy ahiana ny hody maina izy ireo na hahazo fa tako maso ihany noho ny maha mpikambana antsika ao tahirim-bola iraisam-pirenena.
Mihena ny fahatokisany mpamatsy vola an’i Madagasikara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top