Mahita ny zava-misy ankehitriny isika dia hita fa te-hamerina ny fanjakana faha mpanjaka avokoa ny mpanao politika izay mitondra. Rehefa avy mitondra ny rainy dia avadika amin’ny vadiny indray ary rehefa mahavita izy mivady dia asaina milatsaka indray ny zanany. Izany no ataon’i Ravalomanana Marc mianakavy. Izany hoe ny antoko TIM dia natao hametrahana azy mianakavy amin’ny fitondram-panjakana. Ravalo dimbiasin’i Lalao vadiny ary tohizina Toky Ravalomanana indray izany.
Tsy Ravalomanana ihany no te hanao fitondrana Mpanjaka izany fa toa izany koa i Monja Jaona. Dada Monja dia avy eo Monja Roindefo. RATSIRAKA Didier dia dimbiasin’i Rolland Ratsiraka ary Sophie Ratsiraka amin’izao fotoana izao. Andriamanjato Richard dia nametraka an’i Hasina Andriamanjato hisolo azy I Andry Rajoelina indray dia efa manao fitafian’ny Radama voalohany matetika. Efa manomana ny zanany lahy handimby azy koa izy raha ny resaka mandeha eo anivon’ny manodidina azy. Hatrany amin’i Philibert Tsiranana dia isany nanomana ny zanany hanjaka sy hitondra hisolo azy avokoa. Ruphine Tsiranana sy Pierre Tsiranana…
Raha ireo rehetra ireo no jerena dia mbola maniry ny fitondrana Mpanjaka ny mpanao politika malagasy. Eny fa na ny olona tsotra aza dia maro no manana izany toe-tsaina izany. Koa maninona moa raha foanana ny fanjakana Repoblika ity fa ovaina fanjaka entina mpanjaka indray no ajoro na atao fanjaka sady Repoblikanina sy mpanjaka toa ny any Angletera sy ny japonais sy ny Norvège sy…?
Mihatsara velatsihy ny malagasy.
Mpanao politika : Mieritreritra fitondrana Mpanjaka avokoa
La gazette de la grande île
29/10/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313307
Your IP Address: 3.144.106.207
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »