Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ento miakatra any amin’ny mazava ity Firenena ity eh!

La gazette de la grande île
21/11/20243 minute read

Tonga indray ity fotona hanaovana propagandy. Eo anivon’ny firenena iray, dia misy foana ny olona hendry sy manam-panahy, misy ny adala, misy ny manana fahaizana, misy ny mbola mianatra, misy ny manana fahazavan-tsaina, misy  ny miezaka sy manao izay fara-hery hanao tsara kokoa, misy ny miandry mahazo fotsiny sy ny sisa…

Matetika anefany dia izao no zava misy eo amin’ ny fiarahamonina eo amin’ny samy zanak’olombelona rehefa misy zavatra ho tanterahana : “ Ny adala matoky tena foana, fa  ny olona manan-tsaina dia misalasala indraindray ”.

Raha jerena tsy mitongilana sy  ampanetre-tena ny fiatraikan’izany zava misy izany eo amin’ ny fiaraha-monina Malagasy dia lasa “Olana izany zava-misy izany” eo amin’ny fampandrosoana an’ity tanindrazana iombonana ity, indrindra eo anivon’ny tontolo politika satria ny fahatokisan-tenan’ny mpitondra  be loatra dia mety hanosika azy hanao fanampahan-kevitra tsy  hamaly  ny  laharam-pahamehana sy ny tombontsoan’ny maro.

Toy izao ny zava-misy eo amin’ny tontolo politika. Iarahana mahalala fa samy manana ireo olona mpiara-dia aminy ny antoko politika Malagasy tsirairay sady mahatoky tena be loatra nefany manana ny fahavalony koa izy ireo. Faly ny mpanao politika rehefa tsy mivadibadika ireo  mpiara-dia aminy, nefa kosa mitombo ny fankahalana rehefa mivadibadika ka manimba ny fifampitokisana  satria ny sasany manohy ny adalany ny sasany misalasala dia tsy misy firaisankina hiasa hoan’ny tombontsoa ankapoben’ny vahoaka malagasy  ny vokany.

Mahafinaritra ny maheno ny  antso ho any firaisankina , hiasa tohiny nataon’ ny candidat Iary tia ny tanindrazanany. Amin’izao fotoana izao anefany, ny ankabeazan’ny Malagasy dia efa nahatakatra fa ny antson’ireo mpitarika mpanao politika sasantsasany   dia tsy programa politika entina hamoahana ny maro an’isa amin’ny fahantrana izay iainan’izy ireo. Raisin’izy ireo ho tohin’ny  politika izay mandoka ny vahoaka fotsiny mba hahazoana ny fony sy ny fanohanan’izy ireo, ny antson’ ireo  mpanao politika ireo satria tsy fantatra mazava  hoe : Inona no anton’izany antso izany? Nahoana? Na ho an’iza? Ary ahoana ny fomba hitondrana ny firenena na ny commune? Hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy ary indrindra indrindra rehefa vitsy dia vitsy ny olona mpanao politika tena nieritreritra marina sy nampiseo fa miasa ho any ny ho avy ny taranaka ho avy . 

Efa tonga amin’ny toerana  ambany indrindra  sady maizina i Madagasikara angamba ka ny hany lalana azo haleha dia miaraka miakatra fa tsy ny sasany miakatra ny sasany misitona midina indray.

Tsy tokony hisalasala intsony  fa fotoana izao  ho any ireo manam-panahy  hampivondrona  ny adala na ny hendry, na nianatra na tsy nahavita fianarana  sy maro izay tsy voatanisa, amin’ny firosona mankany amin’ny mazava  any ambony.

Tsy misy miheno intsony ny antso sy ny teny fandrebirebena ny saim-bahoaka nohon’ny adalana  avy amin ny fahatokisan-tena be loatra. Manana ny lasany ny tsirairay teo amin’ny fifandraisana amin’ny maha mpiray tanindrazana  . Noho ny zava-mitranga eo amin’ny tontolo politika, na eto an-toerana na ny any ivelany, dia tokony haneho ny fahavononany ny tsirairay, tsy misy fisalasalana, hanafoana tanteraka ny lasa ary hanova miaraka ao anatiny ny fiaramonina madio amin’ny alàlan’ny fifampitokisana mba hamadihana ny pejy ny lasa ary hanombohana ny fanoratana pejy vaovao ho an’ny ho avy manomboka izao.

NY andrasan’ ny maro dia  mpanao politika tsy hibanjina fotsiny ny fomba mba handresena amin’ny fifidianana manaraka fotsiny, fa hibanjina ny hoavy ny taranaka faram-mandimby marina eo ny andraikitra ho raisiny mba hiadanan’ny ambany ny lanitra. 

Ento miakatra miaraka amin’izay ary ity Firenena ity e!

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top