COI
Lasa ady politika hoan’ny mpanao potika malagasy
Tsy misy intsony izany fijerena ny tombontsoam-pirenena izany eto Madagasikara fa ny adilahy politika sisa no mahazo vahana eto.
Andro vitsy sisa dia ho tanterahana eto Madagasikara ny fihaonana an-tampony faha dimy ny COI na ny kaomisaonina ny ranomasina indiana izay handraisan’ireo nosy: Madagasikara, Seychelles, Comores, Maurice ary Frantsa izay misolotena ny nosy La Reunion sy Mayotte.
Ny faha 20 ka hatramin’ny 24 Aprily 2025 izao no ho tanterahana izany. Ny filohampirenena Frantsay mihitsy Emmanuel Macron no ho tonga eto Madagasikara.
Mahakasika ny fizakan-tena ara-tsakafo no isan’ny lohahevitra lehibe ho dinihina amin’izany. Fotoana iray hahazoan’ny mpikambana ao amin’ny COI hijerena ny raharaha mafana eran-tany fa indrindra ny raharaha haban-tseranana izay ataon’ny Donald Trump ankehitriny io.
Eo anatrehan’izany dia miady ny mpanohitra sy ny mpitondra satria tsy mitovy ny fomba fijery. Ny mpomba ny fitondrana Rajoelina dia mirehareha fa zava-dehibe izy ity. Ny mpanohitra indray manakiana mafy fa tsy laharam-pahamehana izany fa ny olana tsy voavaha ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara aloha no tokony handanian’ny fanjakana vola fa tsy fivoriana mandany ny volam-bahoaka toa izao nefa isika efa mahantra. Tonga hatrany amin’ny filazana fa fisehosehoana fotsiny toa ny mahazatra no ataon’i Andry Rajoelina mba hanodikodinana ny saim-bahoaka tsy hieritreritra ny fahantrana be mahazo ny malagasy amin’izao fotoana izao.
Amerika sy Madagasikara
May volo tratra mafy Andry Rajoelina sy ny fitondrany
Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba rehetra hanafoanana na hampihenana ny haban-tseranana izay nasondrotr’i Donald Trump 47 % amin’ny entana avy aty Madagasikara mankany Amerika ny fitondrana Andry Rajoelina.
Efa mazava anefa ny tian’ny amerikana fa tsy miraharaha izay fitondrana misy ankehitriny izy matoa i Madagasikara no firenena afrikanina faharoa nasondrotra ambony toa izao ny haban-tseranana miditra any Etazonia.
Ny azo antoka dia tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny toekarena malagasy tsy ho ela ity raharaha ity ka hampitombo indray ny fahantrana sy ny krizy ara-toekarena sy ara-politika efa misy amin’izao fotoana izao. May volo tratra tanteraka ny fitondrana Andry Rajoelina satria hiankinan’ny hoavy politika io. Andrasana ny tohiny.
Fiainam-pirenena
Hihetsika ny mpandraharahan’ny fonja sy ireo mpitondra taxi ary ny mpivarotra amoron-dalana
Araka ny efa voalazanay teto amin’ity gazety ity dia manomboka mihetsika ireo fikambanana sy antokon’olona izay tsy mahazaka intsony ny tsy fandehanan’ny raharam-pirenena sy ny tsy firaharahian’ny fanjakana azy.
Ny mpandraharahan’ny fonja dia nivory omaly nangataka tamin’ny mpitondra fanjakana mba hampijanona ny tsindry hazolena mahazo azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asany. Tsy mifanaraka amin’ny lalàna no fanasaziana ny olon’izy ireo fa tapahina fotsiny ny karama na tsy misy didy manasazy azy. Be dia be koa ny tsindry miala avy amin’ny olona ambony mahazo azy ireo. Tsy misy fahalalahana intsony ny asa. Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy iainana koa ny karama. Mangataka ny hijerena maika izany ny sendikan’ny mpandraharaha ny fonja ary mbola mangataka ny hananganana sekreteram-panjakana manokana ho an’ity sampan-draharaha ity.
Ny mpitondra taxi eto Antananarivo koa dia nanao fanambarana sy nivory omaly fa mafy loatra ny fanararaotana ataon’ny kaominina Antananarivo azy ireo. Ambony be ny fahazoana karatra ny mpitatitra. Mahatratra 340 000 ariary isan-taona. Ny sazy raha foriera dia 200 000 ariary isan’andro. Tena efa tsy rariny hoy izy ireo nefa ny olana eto Antananarivo dia tsy vitan’ny kaominina ny fandrindrana ny fitanterana sy ny fanarahan-dalàna eto. Tsy tenenina intsony ny haratsin’ny lalana sy ny fitohanana. Mandrahona ny hanao fihetsiketsehana izy ireo raha mitohy izao.
Ankilany koa dia mitarika tsy fahafahana amin’ireo mpivarotra ao Analakely ny fanesorana azy ireo eny amoron-dalana. Milaza ireo mpivarotra ireo fa hanao fihetsiketsehana raha toa ka tsy mahafa-po ny vahaolana izay tenenin’ny ben’ny tanàna Harilala Ramanantsoa. Ny mahagaga hoy hatrany ny mpivarotra ireo fa izay ben’ny tanàna tonga eo amin’ny toerana dia tsisy asa ataony raha tsy ny hanakorontana ny mpivarotra eto Analakely.
Tantara mitohy izany ireo raharaha ireo ka ho hitantsika indray ny tohiny.





