Potika ny fihariana rehetra eto Madagasikara amin’izao andro itondran’ny filoha Andry Rajoelina izao. Samy efa mahatsapa ny vahoaka malagasy rehetra fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto. Ny governemanta dia milaza sy miezaka manentana fa miasa hono. Tsy hita anefa ny vokatr’izany fa voa maika fahasahiranana sy fahantrana no mianjady isam-baravarana amin’ny vahoaka malagasy. Dia ny voalazan’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina izay nodimbiasany ihany no mitranga. Hita aza fa tena niharatsy izany ankehitriny.
Tsy hiteny ny toekarena sy ny fiainana intsony isika fa io iarahana mahita io ny fahapotehana. Potika ny firenena e.
Vaha olana vonjy tavanandro sisa no misy eto amin’ity firenena ity. Tena fandrebirebena saim-bahoaka sy tako-kenatra sisa no ataon’ny fitondrana ity. Ho tonga ny filoha frantsay Emmanuel Macron dia terena ho diovina ny tanana. Apetraka hatramin’ny marika eny an-dalana. Avoaka avokoa ny mpiasa ny kaominina handray kifafa ary mamafa lalana avokoa hatramin’ny mpiasa birao. Entanina ny olona any amin’ny ‘kaominina fa indrindra ireo mpivarotra amoron-dalana ha hanadio ny arabe. Ary toriana amin’ ‘ izy ireo ny fitiavan-tanindrazana izay tsy notenenina intsony nandritra ny taona maro.
Mbola ankamehana ihany koa ny mahakasika ny Jirama. Tsy misy vaha olana mazava fa sarintsarm-panamboarana no misy, vaha olana ankamehana no ireharehana.
Mbola loza be noho izany rehetra voalaza eo ambony izany ny mahakasika ny lalàm-pirenena rehetra manerana an’i Madagasikara. Potika avokoa ary efa tsy misy azo raisina intsony.
Tokony mba hoentina hitsidika any amin’ny faritra i Emmanuel Macron amin’izay dia mba omena vaha olana ankamehana mitovy amin’ny eto Antananarivo io izy ireny. Izany no fandrosoana misy in’izao fitondrana Andry Rajoelina izao.
Fitondrana Andry Rajoelina Vaha olana ankamehana daholo no sisa ataony
La gazette de la grande île
11/04/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626939
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





