Raha tsy misy fanajana sy soatoavina, dia very lalan-tsaina ny fiaraha-monina.
Eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy, dia miharihary ireo olana mitarazoka—manomboka amin’ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo, ka hatramin’ny tsy fanajana ny lalàna sy ny zo fototra maha-olona. Manimba sy manakorontana ny firaisankina eo amin’ny samy olom-pirenena izany, ka mampihisatra ny fandrosoana.
Mihena ny lanjan’ny soatoavina nentin-drazana, izay fototra niorenan’ny fiaraha-monina Malagasy fahiny: ny fanajana, ny fahadiovana ara-tsaina sy ara-batana, ary ny fifanajana eo amin’ny samy olona. Mety ho diso hevitra isika raha mihevitra fa tsy misy vahaolana. Raha miverina amin’ireo fototra ireo isika, ary manatanteraka izany eo amin’ny fiainana andavanandro, dia azo antoka fa hisy fiantraikany goavana amin’ny fiainam-pirenena sy sosialy.
Ireo Fototra iorenan’ny Fiaraha-monina Tsara sy Madio:
Miarahaba rehefa mihaona
Manaja ireo tokony hajaina
Mandondona vao miditra ao an-tranon’olona hafa
Miasa, mamboly na miompy vao mihinana
Misaotra rehefa mandray
Mamerina rehefa mindrana
Manasa rehefa mandoto
Mamerina amin’ny toerany ny zavatra nalaina
Manamboatra rehefa manimba
Mandini-tena rehefa tezitra
Mandà na manaiky am-pamendrehana
Miala tsiny rehefa nanao tsy nety
Manaja sy mikolokolo ny zavatra iombonana
Tsy tia ratsy
Ireo dia fitondran-tena tsotra, saingy manan-danja amin’ny fanatsarana ny fiainana iombonana. Raha miara-manatanteraka izany isika, dia manangana fiaraha-monina iray feno fanantenana sy fanajana, ahafahan’ny tsirairay miaina am-pilaminana sy amin’ny fahasambarana.
Mirary soa ho an’ny rehetra amin’ny fanatanterahana , fizarana sy fandalinana ireo soatoavina nentin-drazana ireo.