Folo andro sisa dia higadona ny fihaonana tampony hataon’ny nosy aty amin’ny ranomasina Indiana dia i Comores, Seychelles, Maurice, Madagasikara ary i Frantsa izay misolo ny nosy La Reunion sy Mayotte. Ny Delegasionina amin’izany dia tarihin »ireo filoham-pirenena avokoa.. Ny filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron no tena ankalazaina ny fahatongavany ary atahoran’ ny fitondrana malagasy mihitsy . Ireo filohampirenena hafa dia tsy hita tabilao ao amin’ ny seraseran’ny fitondram-panjakana Andry Rajoelina mihitsy fa ny fiandrasana ny fahatongavan’i Emmanuel Macron mihitsy toa hitsena an’i Mesia mpamonjy mihitsy no fahitana ny hetsika ataon’ny fitondram-panjakana.
Lasa miteraka adihevitra be eto amin’ny firenena ny raharaha fahatongavan’ny filoham-pirenena frantsay ity satria lasa tonga hatrany amin’ny fitenena hoe resaka samy vazaha izy ity.
Eo amin’ny olana ara-politika sy toe-karena be dia be misy eto amintsika dia toa indraindraina be loatra ity filoha frantsay Emmanuel Macron ity. Fa hitondra inona hoan’i Madagasikara anefa?
Ny manampahaizana sy ny tena mpanao politika dia milaza fa tsy hitondra na inona na inona hoan’i Madagasikara ity filoham-pirenena frantsay ity fa ny hiady ny tombotsoan’ny Frantsay no diany eto Madagasikara izao.
Fiandrasana any Emmanuel Macron: Toa ny fiandrasana ny fahatongavan’ny Mesia
La gazette de la grande île
15/04/2025•52 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
402452
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »