Tena zava-doza no mahazo ny fitondrana Rajoelina ity eo anatrehan’ny firenena Amerikanina sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na ny FMI.
Ny filoha Amerikana Donald Trump dia namoaka lalàna fa tsy maintsy mandoa haban-tseranana 47% ny entana avy aty Madagasikara miditra any Etazonia. Ny haba-tseranana avy aty Madagasikarano faharoa midangana indrindra amin’ny firenena afrikanina manontolo. Tena azo lazaina fa sazy hoan’ny fitondrana Rajoelina sy ny vahoaka malagasy mihitsy izany.
Ny FMI indray dia nivory teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha niaraka tamin’ny fitondram-panjakana Andry Rajoelina ny alakamisy faha 10 aprily 2025 teo. Mahakasika ny volan’ny FEC na ny « facilite élargie de crédit » dia ilay vola fanampiana hoan’ny firenena mahantra indrindra tsy averina izay mitentina 310 « millions de dollars » izay vola tsy averina. sy ny FRD na ny » facilite de regilience durable « izay mitentina 101 millions de dollars ny andiany faha telo ity, izay efa tokony horaisina nanomboka ny volana febroary 2025 teo nefa nohon’ny tsy fanatanterahan’ny fitondrana RAJOELINA ny fifanarahana momba ny fanitsiana ny vidin-tsolika sy fialana amin’ny fanampiana vola mitentina hatrany amin’ny 250 millions de dollars mahery ity orinasa ity, dia nahemotra amin’ny volana Jona 2025 indray ny fanomezana ny vola raha toa ka manatanteraka ny fifanarahana ny fitondrana.
Tena tapa-dalakaleha tanteraka ny fitondrana io ankehitriny eo anatrehan ny mpamatsy vola ireo. Fitantanana tsy mahomby no anton’ity farany.
Izany no atao hoe kenda roroka. Tena hisy fiatraikany be dia be amin’ny toekarena sy sosialy malagasy ireo. Tsy maintsy hitondra indray ny mahantra sy ny fahasahiranana.
FMI sy ny Amerikanina: Tratran’ny kenda roroka ny fitondrana Andry Rajoelina sy ny vahoaka malagasy.
La gazette de la grande île
15/04/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
402453
Your IP Address: 73.208.44.78
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »