Herinandro mahery izay no vita izay ny fihaonana an-tampony ny COI na ny kaomisiona ny nosy aty amin’ny ranomasina Indianina.
Raha ny zava-misy tao alohan’ny fivoriana iny sy tamin’ny fotoana iny dia samy nanana ny filazany avokoa ny sehatra politika sy vahoaka malagasy rehetra izay milaza azy ho manan-tsaina sy tia tanindrazana momba ny nosy éparses . Isan’ny tsy afaka tao am-bavan’izy ireo ny mikasika ny hemetrnan’i Frantsa ny nosy éparses ity hoan’i Madagasikara .
Tena manonofy mitsangana ny malagasy fa tsy hisy na oviana na oviana izany. Raha toa ka efa neken’ny frantsay izany dia tamin’ny taona 1960 nahazoana ny fahaleovantena no nanomezany izany satria dia ao anaty fari-dranomasina any Madagasikara tanteraka io. Ny filoha Didier Ratsiraka dia isany niady mafy io nosy io koa raha vao tonga teo amin’ny fitondrana ny taona 1976 ka hatramin’ny taona 1900. Sady tia tanindrazana no manampahaizana sady nahay politika nefa dia niala maina. Efa nisy fifanarahana ny taona 1979 izay efa neken’ny « Nations Unies » fa didiana ny frantsay hamerina ireo nosy ireo hoan’i Madagasikara. Tsy nanaiky izany anefa ny kaomisaonina ny fandriampahalemana ao amin’ny « Nations Unies » ihany satria nametrahan’ny frantsay ilay lalàna tsy azo ivalozana hoe « veto » ka tsy tanteraka ny fanantanterahana didy sy ny fanampahan-kevitra efa azon’ny filoha Didier Ratsiraka sy ny faneken’ny « Nations Unies ».
Mafy dia mafy ny tsindry sy ny hetsika nataon’ny filohampirenena Didier Ratsiraka tamin’izany ary tena nanaraka ny fenitra sy lalana iraisam-pirenena tanteraka niampy ny tolona politika nataon’ ny malagasy sy ny firenena tsy momba ny atsy sy ny eroa izay natanjaka be tamin’izany fotoana izany.
Raha ny zava-misy sy ny « géopolitique mondiale » misy ankehitriny dia haverin’ny frantsay maimaim-poana amin’ny malagasy ve ireo nosy ireo? Raha tsy adala ny frantsay ka hanao izany. Manonofy mitsangana ny malagasy. Enganie ka ho diso ny fahitanay ny raharaha ity satria mety hahatsara izany ny maha vazaha ny filoha Andry Rajoelina.
Îles Éparses Aza mihevitra ny frantsay ho adala ka hamerina ireo nosy ireo an’i Madagasikara
La gazette de la grande île
03/05/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
409709
Your IP Address: 3.15.238.90
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »