Mbola ny raharaha Colonel Rakotomamonjy Patrick ihany aloha hatramin’izao no mitazonana voalohany amin’ny vaovao mandeha eny anivon’ny tontolo politika sy ny vahoaka malagasy. Raha fintinina ny resaka mandeha dia mangataka ny hanaovana fanadihadiana ihany koa ny olona rehetra izay voaresaka fa mpanao kolikoly rehetra iny.
Tokony hanaovana fanadihadiana hoy hatrany ny fanehoan-kevitra ny jeneraly Sahivelo izay minisitry ny foloalindahy. Toa izany koa i Mamy Ravatomanga sy ireo olona rehetra izay notononiny colonel iny ary ireo tompon’andraikitra ambony ara-panjakana izay voakasika ny teny nataony iny. Ny fanaovana zany hoy hatrany ny voalazan’ny olona manaraka ity raharaha ity dia mampazava iny raharaha iny ka tokony hamaizana mafy ilay colonel raha toa ka manely tsaho sy vaovao tsy marina. Matoa ny filohampirenena Andry Nirina Rajoelina nandray iny fanapahan-kevitra mahakasika iny raharaha iny dia isan’ny vaovao lehibe teto amin’ny firenena iny raharaha iny ka tsy tokony handalo fotsiny ihany. .
Mitaky fahazoam-baovao marina ny vahoaka malagasy araka ny voalazan’ny lalam-panorenana dia tokony hanome vaovao marina amin’izany ny fanjakana. Ny Bianco na ny birao manokana miady amin’ny kolikoly ary ny Samifin dia tokony hiasa mafy mahakasika iny raharaha iny satria lehibe loatra iny fanambarana iny ka tsy tokony handeha ho jerem-potsiny iny fanambarana na marina na diso.
Raha toa vitan’ny fitondrana izany fanadihadiana lalina momba iny raharaha iny dia hiverina ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitondrana io izay efa latsaka ambany dia ambany mba tsy hitenenana hoe tsy misy intsony.
Mitaky