Mitombo ny fanampiana dolara sy euro avy any ivelany, fa mitombo koa ny fahantrana eto Madagasikara. Sao dia tsy vahaolana ilay fanampiana, fa fitaovana mahery vaika entina miaro fahefana manararaotra sy mandravarava, ary entina hampahantra sy hanandevozana ny vahoaka an-kolaka?
Eto Madagasikara, tsy misy andro mandalo tsy hiresahan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika ny fanampiana avy any ivelany. Na amin’ny haino aman-jery, na amin’ny filankevitry ny minisitra, dia mbola io ihany no hira. Kanefa toa lasa lavitra no tsy hita, fa vao mainka mitotongana ny fiainan’ny vahoaka. Fa nahoana isika no mbola mahantra foana?
Tsotra ny valiny, saingy maharary : tsy misy vokatra ho an’ny Malagasy ny fanampiana avy any ivelany. Fa vao mainka mandrava.
Iza no tena mahazo tombony amin’ny fanampiana?
Tsy ny mahantra. Tsy ny eny ambanivohitra. Tsy ny mpiasam-panjakana zara raha mahazo karama. Fa ireo efa manana fahefana, manana tambajotra, ary manana fidirana amin’ny fitantanam-bola mpanjakana izay ny famatsiana vola avy any ivelany no betsaka. Izay no misitraka, izay no mihazo. Ny vahoaka? Mijery fotsiny.
Isan-taona, an-tapitrisany dolara no miditra eto amin’ny firenena. Voalaza fa tokony hanala fahantrana, hampandroso ny toekarena, hanatsara ny fiainan’ny mponina. Fa inona no zava-misy? Vitsy an’isa no tena misitraka izany vola izany. Tsy manampy ny mahantra izany fanampiana izany, fa manamafy fahefana politika tsy refesi-mandidy, sady mpanao kolikoly no manjaka tokana.
Rehefa tsy eo ny fanampiana avy any ivelany, dia mihitsoka tanteraka ny fanjakana. Tsy mila vokatra intsony ny mpitondra fanjakana ankehitriny, fa miandry fotsiny ny vola vahiny. Raha mbola tsy mipoaka ny fahantrana, mbola afaka mifehy ny vahoaka amin’ny alalan’ny volan’ny fanampiana. Mbola afaka mividy « fiadanana » sy mampihantona ny fahatezeran’ny olona amin’ny alalan’ny kitolotolotra, izay matetika hamatorana sy hangejana mihitsy ny zo fototra maha olom-pirenena azy. Ary farany, mbola afaka mamahana tambajotra sy mpiara-dia aminy.
Fampanantenana sandoka
Lasa fitaovana politika ilay fanampiana. Mampijoro rafitra miaro fahefana fa tsy rafitra miaro vahoaka. Mampalahelo : ny fahantrana dia lasa fitaovana. Lasa “karatra” hangatahana vola. Arakaraka ny maha-ratsy ny fiainan’ny vahoaka, no vao mainka betsaka ny fanampiana. Ary arakaraka ny fanampiana, vao mainka manamafy fahefana ireo efa tsy nanao na inona na inona hampandrosoana ny firenena.
Fampanantenana sandoka, izay mitarika fotokevitra tsy hanova mihitsy. Ny lalana no safidin’ny mpitondra politika ankehitriny dia tsy ny hanavao, fa raha azo atao dia ny mangataka fotsiny. Tsy ilaina ny hampivelatra orinasa malagasy, na hanome lanja ny fahaiza-manao eto an-toerana, fa miankina amin’ny vahiny fotsiny dia efa ampy, dia mandeha ny raharaha mpanjakana. Tsy rariny intsony fa tetika.
Fampindramam-bola mamandrika sy manambany
Raha ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena misy eto Madagasikara, dia tsy manampy hanarina ny firenena ny fanampiana azo avy any ivelany, fa vao mainka mampiditra ao anaty trosa. Tsy mampitsangana toekarena maharitra. Tsy mampiroborobo fahaleovantena. Fa manambany sy manakenda. Tsy manangana fanjakana miasa ho an’ny vahoaka, fa manangana rafitra fotsiny mitahiry fahantrana. Fanampiana mampietry no misy eto Madagasikara. Tsy mampandroso ny fahaiza-miaina. Fa mampahazo aina amin’ny fitotonganana.
Tandremo fa tsy avy any ivelany mihitsy ny famonjena
Tonga ny fotoana hialana amin’ity rafitra mandiso fanantenana ity. Tsy fanampiana intsony no ilain’i Madagasikara, fa fialana amin’ny fiankinana. Fialana amin’ny kolikoly. Fiverenana amin’ny tena fahamarinana sy andraikitra.
Ny fanovana dia tsy ho avy avy any ivelany. Tsy ho avy amin’ireo mpamatsy vola. Tsy ho avy amin’ireo mpanome fanampiana. Fa ho avy amin’ny vahoaka malagasy mihitsy, raha omena lanja sy fahefana izy.
Tsy fanampiana Vfotsiny no vahaolana, fa fahaizana miverina mijoro.