Maro no tsy faly tamin’ny fanamparam-pahefana nataon’ny filohampirenena Andry Rajoelina tamin’ny fitsabahany tamin’ny fanapahan-kevitra nampidirana am-ponja ny vadin’ny colonel Rakotomamonjy Patrick.
Tamin’ny Alahady faha 4 May 2025 teo dia nanambara ny filohampirenena Andry Nirina Rajoelina fa tsy mety ny fampidirana am-ponja ny vadin’io colonel io. Nangataka ny hamoahana izany izy. Ny alatsinainy manaraka an’io dia navoaka ny fonja ilay ramatoa.
Teo anatrehan’izany dia maro ny mpitsara no tsy faly tamin’ny fitsabahan’i Andry Rajoelina tamin’iny raharaha iny. Isan’izany ny mpitsara Rakotomahanina James izay nanao fanambarana fa tsy misy intsony izany ny fahaleovantenan’ny fitsarana izany hoy izy ny alakamisy teo. Nitsikera mafy iny fanapahan-kevitra namoaka ny fonja ilay ramatoa ity mpitsara ity.
Maro moa ny resaka nandeha tamin’iny raharaha iny izay be dia be ny mpitsikera. Tsy misy eran-tany ka sady mpitsara no mpanapa-kevitra ny filohampirenena. Any amin’ny firenena mpanao didy jadona no misy izany. Rehefa voafidy ho filoham-pirenena izany eto Madagasikara dia afaka manao izay tiany hatao. Tsy miasa intsony ny lalàna fa ny filohampirenena no mandidy mahatapaka amin’ny zavatra rehetra.
Tsy ny famoahana ny vadin’ny colonel izay tsy manan-tsiny no olana fa kosa ny fomba nataon’ny filoham-pirenena amin’ny famoahana azy.
Asan’ny fitsarana : Maro ireo mpitsara no tsy faly tamin’ny fitsabahan’i Andry Rajoelina
La gazette de la grande île
25/06/2025•56 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5627001
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





