Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Vaovaon’ny Nosy

La gazette de la grande île
06/07/20253 minute read

Krizy sosialy
Hitarika fidinana an-dalam-be io raha tsy mitandrina Rajoelina

Be loatra ny olana ara-tsosialy mitranga amin’izao fotoana. Ankoatran’ny fahantrana izay vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana izay mamely mafy ny malagasy manontolo, dia mahazo vahana koa ny trangam-piarahamonina ratsy mifanesisesy mampidi-doza sy manapotika ny fihariana ara-toekarena sy sosialy mamely ny isam-batan’olona.
Potika ny fitadiavana nohon’ny tsy fahaizana mitantan’ny Jirama. Delestazy sy ny tsy fahampian’ny rano fisotro sy ny fahasalamana dia io iarahana mahita io fa olona am-polony maro izao no maty noho izany. Tsy mahita vaha olana ny fitondrana fa miandry izay sitrapon’Andriamanitra fotsiny sisa. Vetivety dia niparitaka eran ‘i Madagasikara ny raharaha ka hatramin’ny kaominina Ambatomifaningoa any ambanivohitra Ambatofinandrahana avy no tratran’ity fanampoizinana ity.
Amin’ izao fotoana izao indray dia miditra indray ny olana amin’ny solika ka ilaharana ny toeram-pivarotana solika manerana an’i Madagasikara.
Manomboka mandrahona ny mpiasan’ny Jirama fa hanao grevy. Manomboka tezitra ihany koa ireo olona rehetra mampiasa fiara. Miakatra tsy mijanona ny vidim-piainana, tsy faly ny mpiasa madinika mampiasa jiro amin’ ny Jirama. Manomboka miteny ny olona fa tsy izy intsony izao fitondrana entin’i Rajoelina izao. Miaina amin’ny tebiteby foana ny vahoaka noho ny tsy fandriampahalemana. Potika ny lalana manerana an’i Madagasikara. Toa izao foana no zavatra nitranga tamin’ ny fiatombohan’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara hatramin’izay. Ny tantara tsy mba fanadino.
Ahiana ny hisian’ny fidinana an-dalambe raha tsy mahita vaha olana maika amin’izao ny fitondrana io.

 

Fanampoizinana ara-tsakafo
Nihemotra ny vahiny mpizahatany tokony ho tonga eto Madagasikara

Niteraka resabe teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fisian’ny fanapoizinana ara-tsakafo teto Madagasikara ny volana jona 2025 teo. Nisy fiatraikany avy hatrany amin’ny mpizahantany vahiny avy any Eropa iny raharaha iny ka maro no nihemotra izy ireo na dia efa nahavita famandrihan-toerana tany amin’ny « agence de voyage ». Nifindra firenena izy ireo. Misy koa ny malagasy mipetraka any ivelany no nilaza fa tsy ho tonga koa noho iny raharaha iny ka na raharaham-pianakaviana toa ny mariazy sy lanonana maro hafa no handehanany aty dia voatery nahemotra amin’ny taona 2026 avokoa izany.
Raha ny vinavinan’ny fitondrana fa hampiakatra ny mpizahantany ho 1 000 000 ho tonga eto Madagasikara izany dia efa tsy ho tratra indray koa. Midika izany fa tsy ho tanteraka indray ny revirevin’ny fitondrana io. Mazava ho azy fa tsy ho tratra koa ny vola nokajiana hampidirina.
Mihemotra avokoa ny fampandrosoana eto Madagasikara. Mijaly noho izany ny vahoaka sy ny firenena. Sarotra ny fampanantenana napetrak’i Andry Rajoelina. Tena tsy hahavita an’i Madagasikara tsy maintsy mandroso izany izy raha izao tranga izao mandra-pialany teo amin’ny fitondrana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top