Eo am-pitohizan’ny iray amin’ireo krizy goavana indrindra i Madagasikara ankehitriny. Ao afovoan’izany: ny fanavaozana ny JIRAMA, izay nolavin’ny sendika ka niafara tamin’ny fitokonana ankapobeny. Fa tsy izany fotsiny. Vokatry ny fahanginan’ny fifandraisana, tsy fisian’ny fifampiresahana, ary fitondrana mihidy no nitondra amin’izao fahasahiranana lalina izao. Eo anilan’izany, mihitsoka ny toekarena, kivy ny vahoaka.
Herinaratra sy rano: lasa zary nofinofy ho an’ny maro
Isan’andro, tokantrano, sekoly, hopitaly, orinasa no manenjana noho ny fanapahana jiro sy tsy fahampian-drano. Tsy fahazarana intsony izany fa fampijaliana mihitsy. Raha tokony hanavao ny JIRAMA mba hahomby kokoa, dia atao anaty maizina sy tsy ifampierana amin’ny mpiasa sy ny vahoaka ny fanapahan-kevitra. Vokany: tsy fandriampahalemana sosialy, fahaverezan’ny fitokisana, fanaovana amboletra.
Fitondrana mitazam-potsiny manoloana ny firodanana
Mbola manakimpy sy manam-poto-kevitra tokana ny fitondrana, raha mibaribary anefa fa efa tandindonin-doza ny firenena:
- Vola midangana
- Trosa tsy voafehy
- JIRAMA tsy mandeha
- Asa mihitsoka
Tsy fampitandremana intsony izao. Fa fanisanandro mankany amin’ny fahapotehana.
Miatrika krizy tsy mbola nisy toy izany i Madagasikara
Amin’izao fotoana izao, tsy manana jiro, tsy manana rano, tsy manana fitokisana amin’ny fitondrana intsony ny vahoaka. Maro no miaina anaty fahantrana lalina. Tanora mitsoaka, orinasa mihidy, tantsaha mijaly. Kanefa tsy mbola misy vahaolana mazava sy matotraaroson’ny fitondrana.
Tonga ny fotoana hanovàna tanteraka ny làlana
Ny fanavotana an’i Madagasikara dia miankina amin’ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Mila:
- Fifampiresahana tsy misy fialonana sy tsy misy fankahalàna
- Fanavaozana mazava sy ifandaminana amin’ny JIRAMA
- Fitondrana misokatra sy manaja ny feon’ny vahoaka
- Vahaolana haingana amin’ny famatsiana rano sy herinaratra ho an’ny rehetra
Aoka isika hiady ho amin’ny ho avy mendrika
Tsy mitaky zava-mahagaga ny Malagasy. Fa fitondrana manaja, firenena milamina, ary ho avy mazava no andrandrainy.
Tsy miandry kabary intsony izao. Fa asa sy fanapahan-kevitra hentitra.
Madagasikara tsy maintsy misafidy: hilentika amin’ny haizina, sa hitsangana hiarina.





