Mihasarotra dia mihasarotra ny toe-draharaha. Tsy hahazo fanampiana ara-pahasalamana sy ara-tsakafo firy intsony i Madagasikara amin’ity taona ity. Araka ny tatitry ny fikambanana iraisam-pirenena ALNAP, dia mety hihena hatramin’ny 34 % hatramin’ny 45 % ny fanampian’ny tany mandroso alohan’ny faran’ny taona 2025.
Fa inona no antony?
- Tapahan’ny Filoha Amerikanina Donald Trump ny 80 %-n’ny fanampiana avy amin’ny USAID.
- Mifantoka amin’ny ady ankehitriny i Eoropa noho ny fanafintohinana ataon’i Rosia, ka dia kely sisa ny vola ho an’ny firenena mahantra.
Vokatry ny fanapahan-kevitra any ivelany izao:
- Mihena ny fanampiana ara-tsakafo, indrindra any Atsimo sy amin’ny faritra tratran’ny hain-tany.
- Mihena ny fitsaboana sy fahasalamana any ambanivohitra.
- Mihena ny fanohanana ho an’ireo zaza tsy an-draharaha, vehivavy marefo, sy ireo niharam-boina tamin’ny loza ara-tontolo iainana.
Inona no tokony hataon’ny fitondram-panjakana malagasy amin’izao?
- Ampiasao amin’ny marina sy maika ho an’ny mahantra ny vola-bahoaka. Ajanony ny fandaniana tsy misy antony.
- Mila mangarahara amin’ny fandaniam-bola. Tsy tokony hisy ariary iray ho very amin’ny kolikoly sy rendrarendra politika
- Tokony hohamafisina ny fanohanana ny fikambanana sy ONG eny ifotony.
- Tsy maintsy ampiasaina amin’ny fampandrosoana ny vola: tantsaha, rano fisotro madio, fanabeazana ary fahasalamana.
Tapitra ny fotoana niankinana tamin’ny hafa.
Anjarantsika izao no mihetsika sy mijoro ho an’ny vahoaka Malagasy. Tsy fihetsiketsehana intsony izao no ilaina, fa hetsika mazava.
Raha mitazam-potsiny ny fitondrana sy ireo manana andraikitra eo anivon’ny fanjakana, dia toy ny manary ny Malagasy an-tapitrisany ao anaty fahantrana. Fa raha sahy mihetsika ankehitriny ireo manana andraikitra eo anivon’ny Fanjakana sy ny rehetra, dia mbola azo ovaina ny ho avin’ny firenena.
Madagasikara afaka ve? Eny. Raha mifoha isika.





