Ny taona 2018 no navoaka ny didy fampiharana ny fanatanterahana ny fananganana ny HCJ na ny Fitsarana Avo.Tamin’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina izany. Efa noterena mafy vao afaka namoaka io lalana io ity fitondrana ity. Ny lalàna misy eto amintsika dia milaza fa raha toa ka tsy tafatsangana ny rafitra rehetra ao amin’ny lalampanorenana 12 volana aorian’ny nandraisan’ny filohampirenena ny andraikiny araka ny fepetra takian’ny lalana amin’izany dia azo lazaina fa manala ny tenany izy filohampirenena.
Rehefa navoaka ny lalana momba ny HCC dia zava-doza no niseho fa voa maika manamafy orina ny kolikoly indray. Tsy maintsy ny depiote no manaiky ny fanadihadiana ataon’ny HCJ. Ny mpanao lalàna indray noibaiko ny mpampihatra ny lalàna. Tena zava-doza amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena izany. Vokatr’izany diaokangso tanteraka ny asan’ny HCJ ity. Manaraka izany koa dia tsy azo atao ny misambotra ministra sy filohan’ny andrim-panjakana hogadraina na hanaovana fanadihadiana fotsiny teo am-panatanterahana ny asany. Vakio ny lalàna mikasika ny fitantanam-bola.
Ireo olona ireo no tsy maty manota eto amin’ny firenena malagasy satria manao izay tiany hatao. Tsy mahagaga raha toa ka mahantra toa izao ny firenena.
Raha tena hampandroso marina an’i Madagasikara i Rajoelina dia io lalana momba ny HCJ io no asiany fanovana fa tsy ny resaka toaka gasy no hatao laharam-pahamehana.
Ny Pac na ny « Pôle anti-corruption » izay fitsarana manokana hoan’ny fanodikodinana volam-panjakana dia mbola tsy nitsara ireo olona ambony nitondra firenena ireo na iray aza. Ny Bianco sy ny Samifin izay sehatra natao hiady amin’ny kolikoly dia tsy afaka misambotra sy manao fanadihadiana ara-pitsarana ireo filohan’ny andrim-panjakana sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta ireo noho ireo lalàna ireo. Ny olona feheziny sy ny eo ambaniny no migadra kanefa dia mazava fa olona mpanatanteraka ny baiko omena fotsiny izy ireny
Izany no ilazanay etoana fa resaka adala ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Sinema sy fameriverena saim-bahoaka fotsiny io filazana fa miady amin’ny kolikoly ny fanjakana malagasy.
Ady amin’ny kolikoly: Ny lalana mifehy ny HCC no mampikatso ny firenena
La gazette de la grande île
15/07/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626944
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





