Tsy fantatra izay niafaran’ilay filazana nataon’i Rajoelina mahakasika ilay fahaverezana solika avy any Toamasina mankany Mahajanga. Citernes 18 no voalazan’i Rajoelina fa tsy tonga tany Mahajanga. Solika hoan’i Jirama io. Nilaza hampanao fanadihadiana ary tsy hilefitra izy nefa tsy hita izay vokatr’izany hatramin’izao.
Dia nanambara fa tsy maintsy hofantarina ny poizina sy ny antony nahafaty ireo olona teny Ambohimalaza tao alohan’ny 26 Jona 2025. Hatramin’izao dia tsy mazava ny raharaha ka mametraka fanontaniana ny malagasy maro hoe inona no tsy ilazana ny marina.
Hamboarina ao anatin’ny fotoana farany izay maika ny kianjabe eo Mahamasina. Lasa ny roa taona tsy vita ny kianja ka niafarany dia nikorofahana ny baolina kitra malagasy. Tena lainga be mihitsy sisa no iainana eto.
Amin’izao fotoana izao dia tsy misy hita intsony ny fampanantenana teny amin’ny lac Iarivo. De mifanontany teny ny mpandalo rehetra fa ny farihy fotsiny sisa eo fa ilay fampanantenana hatao teny toa maty momoka fotsiny.
Ny fanamboaran-dalana manerana an’i Madagasikara moa dia tsy tenenina intsony fa rehefa avy manao fitsidihana amin’ny fametrahana vatofehizoro i Rajoelina dia tsy hita eo intsony fa mody ireo fitaovana hatao hanamboarana izany. Gaga ny vahoaka izay nasaina niorakoraka hoe « Merci President ».
Leo fampanantenana poakaty ny vahoaka nohon’ny ataon’izao fitondrana izao. Madagasikara tsy maintsy mandroso no nampanantenainy ny vahoaka fa fahantrana mbola tsy nisy toa izao no iainan’ny malagasy.
Dia miandry ny kobaka am-bava manaraka indray isika. Tsy misy zavatra antenaina intsony.
Fiainam-pirenena Tsy milaza ny marina intsony ny fitondrana
La gazette de la grande île
16/07/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626940
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





