I Richard Ravalomanana, filohan’ny Antenimierandoholona, jeneraly misotro ronono, no nametraka ho anaty loza ny Repoblika. Ilay tokony ho mpiaro ny rafitra, no nampiditra mpanao trafika iraisam-pirenena ao anaty foiben’ny fahefam-panjakana.
Mpitarika ambony, manana traikefa amin’ny fitsikilovana sy fiarovana anatiny, noheverina fa olona ho afaka manavaka izay mitondra loza ho an’ny firenena sy izay azo atokisana. Fa inona no zava-nisy? Khushwinder Singh, Indiana, no tendreny ho mpanolontsaina, tsy manana andraikitra ofisialy, niara-niseho taminy tamin’ny fivoriana lehibe, nanana fidirana tao amin’ny Antenimierandoholona, ary ankehitriny voarohirohy amin’ny fanampiana ny tambazotran’ny fiaramanidina Boeing 777 an’ny Mahan Air, kaompania iranianina voasazy iraisam-pirenena. Ary hisy fiantraikina ratsy ho any ny Firenena malagasy mihitsy.
Tsy hadisoana tsotra izany. Fanaovana tsinontsinona ny fiandrianam-pirenena. Fiketrika maloto, atao ambadika, ahafahan’ny kolikoly miditra anaty rafitra. Famadihana ny firenena.
Richard Ravalomanana? Nijery fotsiny. Na koa niara-niasa.Tsy vitan’ny hoe navelany hanao ny danin’ny fony ilay olon-dratsy, fa mbola niaro tena tamin’ny fanilihana andraikitra. Ny fandroahana an’i Singh dia fialokalofana, fanakonana ny tena olana.
Very hasina tanteraka’ny Antenimierandoholona , ny Firenena manontolo noho ianao, Ravalomanana!
Tsy azontsika ekena intsony ny fitohizan’ny tsimatimanota sy ny fiaraha-miasa amin’ny tambazotra mpanao trafika. Raha tsy fahalalana, dia fandraisana anjara mangina. Raha tsy hadalàna, dia fikasana ratsy. Tsy amidy ny Firenena tompoko o!
Miala ianao ry Richard Ravalomanana. Ary miaraka aminao, aoka ho levona ny fahalovana sy ny fitsipaky ny mpanao trafika.






