Tsy mety afa-doza mihitsy ity fitondrana entin’ny filohampirenena Andry Nirina Rajoelina ity.
Hatramin’ny fitondrana tetezamita nanomboka ny taona 2009 dia faty olona mikararana no nisy teto Madagasikara. Faty olona no nahazoany ny fahefana tamin’izany. Vono-olona teo Analakely sy Ambohitsorohitra tamin’ny fifandonana tamin’ny fitondrana Ravalomanana Marc iny. Izany rehetra izany dia niainana tao anatin’ny asan-dahalo namaivay nisy an’i Remenabila tany atsimo ka nahafaty olona an’arivony. .
Ny taona 2019 raha nandray ny fitondrana teny Iavoloha izy dia nirodana ny vato teny Ampamarinana ka faty olona tsy mbola nisy toa izany. Mbola niverina koa izany afaka tapa-bolana.
Marihina fa tamin’ny andro nitondrany io koa no nisy ny covid-19 ‘izay nandripaka malagasy maro koa. Tsy izay ihany no nitranga teto fa niarahana nahita ny faty olona tany Ikongo. Mbola mitohy izany ankehitriny ka olona 200 mahery no maty noho ny tazo moka. Feno ny fasana.
Be ny azo lazaina fa avelantsika eo ny loza tsy ankijanona nahafaty olona betsaka teto Madagasikara.
Fa loza be koa ny hain-trano sy vonoan’olona ataon’ny dahalo sy ny jiolahy ary ny rivodoza nandripaka ain’olona tao anatin’ny fitondrana Rajoelina ity. Tena ahatsiarovana ny loza fito tany Egypta tin’ny andron’ny Farao rehefa ho rava ny fitondrana. Tena tsy misy hafa ny zavatra mitranga.
Ankehitriny dia anaovana fanadihadiana iraisam-pirenena ny minisitra ny fitanterana Valery Ramonjavelo ao amin’ny fitondrany noho ny raharaha fiaramanidina 777 nanaovana hosoka iraisam-pirenena. Talohan’izay dia efa nigadra tany Angletera ny mpiara-miasa amin’ny fiadidiana ny tale ny kabinetra ny Repoblikan’i Andry Rajoelina noho ny kolikoly iraisam-pirenena.
Miandry ny loza vaovao indray amin’ity olana Septambra 2025 ity satria dia tsy maintsy misy loza foana eto Madagasikara isam-bolana amin’izao fitondrana entin’ny Rajoelina izao.
Fanjakana Rajoelina : Tsy mety afa-doza hatrany amboalohany
La gazette de la grande île
26/08/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626937
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





