Vita ny fivorian’ny Sadec teto Madagasikara ary lasa filohan’i zany i Andry Rajoelina izay filohampirenena Malagasy. Be dia be ny fampanantenana talohan’ny nandraisana ny fivoriana. Madagasikara hamirapiratra no nampanantenaina. Lasa izay ny iray volana dia tantara sisa no napetrany fa Madagasikara voa maika nahantra nohon’ny teo aloha indray.
Tafaverina soa aman-tsara eto an-tanindrazana koa ny Kabeson’ny mpanjaka Toera tany Beloamoron’iTsiribibina. Mafy dia mafy ny fihetsiketsehana nataon’ny fitondrana Rajoelina. Vita koa iny izay. Ny vahoaka malagasy tsy mahalala izay tantarany intsony fa ny fahantrana no mibaiko ny andavanandrony. Ny vola izao no manandevo azy vokatrin’ny fahantrana nateraky ny fitondrana ity.
Tapitra indray ny werawera fanaon’ny fitondrana Rajoelina ka lasa nivadika any amin’ny fampianarana indray sisa. Ny fampianarana izay tena latsaka ambany dia ambany ankehitriny. Zavatra tsy tokony hotokanana no isehoana indray izao toa ny teny amin’ny EPP Ambatobe iny. Aiza ve ka dia akanjo kely na tablier no anaovana fisehoana indray? Asan’ny sefo Cisco izany fa tsy an’ny filohampirenena velively.
Lany sy tapitra ny zavatra hisehoana ka izao manaonao ny tsy fanao izao. Aiza ny famahana ny olana ao amin’ny Jirama. Resaka fampandriana adrisa avokoa no natao. Na ny jiro na ny rano dia tsy ahitambaholana mihitsy na kely aza. Vava fotsiny ilay filamatra hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso. Tena fampiesonana ny vahoaka malagasy no misy hatramin’izao.
Miandry ny fisehosehoana manaraka ho foronina handrebirebena vahoaka indray isika.
Politika Tapitra ny fisehosehoana ataon’i Rajoelina
La gazette de la grande île
10/09/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626937
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





