Tanora sy Zokiny : raha hampifamenona fa tsy hampifandrafitana ny hevitra dia handroso Madagascar.
Marina fa ny tanora no maro an’isa sady no manan-kery fa ny zokiny, izay nahazo taona kosa manam-pahaizana sy traikefa. Raha ampiraisina ny hevitr’ izy Ireo , dia hivoaka ny tsara indrindra ho any ny ho avy.
Fa indrisy… amin’izao fotoana izao, hita fa mipoitra ny elanelana sy ady anaty mangina eo amin’ny taranaka Malagasy.
Indrindra indrindra miseo eo anivon’ny tanora manana fahefam-pitondrana izany ankehitriny. Toherin’ izy ireo ny hevitra sy fandraisan’andraikitry ny zokiny, fotsy volo, mahalala ny lalan-kaleha.
toa hoe efa lany andro, na tsy ilaina intsony.
Saingy hoy ny fahendrena Malagasy hoe
“Ny hevitra tsy ananan’ny tanora, ananan’ny antitra.”
“Ny mahery tsy maody, manimba; ny maody tsy mahery, very.”
Ny fahendrena dia manaiky fa Ny tanora dia mitondra:
- Herim-po
- Hafainganam-pandeha
- Fijery vaovao
Ary Ny zokiny kosa dia mitondra:
- Fahendrena
- Fahaiza-mandinika
- Traikefa sy tantara
Mifameno izany ny tanora sy ny zokiny eo amin’ny fiainana raha , voalohany mifanaja, faharoa mifampianatra ary farany, Mampiseho fahavononana hihaino sy hifampihaino, indrindra indrindra ny tanora.
Raha izany no soatoavina iainana sy iombonana, dia ho lasa hery lehibe ho an’ny fandrosoanany Taranaka Malagasy , zokiny au tanora, iray manontolo.
Tsy hoe:”Izay tsy mahalala afa-tsy ny omaly, ho voafitaky ny rahampitso.”
Fa hoe:“ Ny hevitra tsy ananan’ny tanora, ananan’ny antitra.”





