Lera izao ho amin’ny fanovana izay tarihin’ny tanora.
Miarahaba an’ireo tanora GEN.Z.
Mendrika tokoa sy tokony ho deraina ny fihetsiky ny tanora, tsy manao tsinontsinona ny ainy fa mampiseho fitiavana lalina firaisankina lalina ho an’ny mpiray tanindrazana aminy amin’ny zava-misy eto amin’ny Tanindrazana iombonana. Izay tsy rariny sy mahonena dia tsy ekena intsony.
Eny, indrisy, mbola misy aminareo — miaramila, zandary, na andian’olona manao fanamiana zandary — izay tsy hiaro ny olom-pirenena Malagasy mitovy aminy, fa tia vola sy manompo olona ka very fanahy, velona, mampiasa herisetra tahaka ny jiolahy amin’ireto tanora ireto izay tsy mihemotra amin’ny tolona.
Mankasitraka sy mino aho fa ireo GenZ ireo dia hametraka ireto zavatra ireto — izay tokony ho hita manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara — ho fomba handrefesana ny fandrosoana marina sady hampifaly ny Malagasy rehetra:
1.Tsara amin’izay ny fari-piainan’ny Malagasy
2. Misy fitoniana ara-bola
3. Miasa miaraka amin’ny karama mendrika sy toe-piainana sahaza
4. Salama tsara
5. Mahazo fahafahana malalaka hampivelatra fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fampianarana mora sy manara-penitra
6. Manana trano fonenana milamina sy azo antoka, anaty fandriampahalemana tanteraka
7.Mifandray mora amin’ny hafa, na ara-batana na amin’ny alalan’ny teknolojia
Ary farany, Miaina anaty fiaraha-monina milamina sy mifankatia
Leo ny vahoaka. Aoka izay. Mila fanovana izao dia izao.
MENDRIKA DERAINA NY FIHETSIKY NY TANORA.
Ela izay. Miverina ny fanantenana.
Ho ela velona ny tanora Malagasy GenZ, andry iankinan’ny vahoaka tsy vaky volo.
Masina ny Tanindrazana.





