Na inona na inona fiteny sy kabary ataon’i Andry Nirina Rajoelina sy ny governemanta Ntsay Christian dia tapitra hatreo ny fitondrany ny firenena amin’ny maha filohampirenena sy Praiminisitra.
Toa izao no zavatra nitranga teto Madagasikara tamin’ny taona 1972 izay niongana ny filoha Philibert Tsiranana. Toa izany koa ny nahazo ny filoha Didier Ratsiraka tamin’ny taona 1991. Mbola nitohy ny taona 2001-2002 izany. Ary ny taona 2008-2009 izay nampiongana ny filoha Marc Ravalomanana.
Rehefa feno ny kapoaka dia tsy tana intsony ny vahoaka Malagasy amin’ny fanonganana ny filoha mitondra ny firenena. Dia efa izay no mitranga nanomboka ny alakamisy faha 25 Septambra 2025 teo ka izao mbola mitohy hatramin’izao 29 Septambra 2025 ary mbola inoana fa mbola hitohy izany na dia efa betsaka ny maty sy ny maratra ary ny rava fananana.
Noho izany dia tsara ny miala mba ho tombotsoan’ny firenena.
Politika : Tsy voatazon’i Andry Rajoelina intsony ny fitondrana an’i Madagasikara
La gazette de la grande île
29/09/2025•40 second read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626937
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





