Ny tanora malagasy GEN .Z dia mahatsapa fa misy olana maro ao amin’ny firenena, toy ny olana ara-panjakana, ara-toekarena, ara-tsosialy ary tontolo iainana. Tiany tantra GEN.Z sy ny Malagasy ny hanova tanteraka ny rafitra misy ankehitriny. Tsy te ho mpijery fotsiny izy ireo fa te ho mpiara-miasa amin’ny fanovana.
Ity tolo-kevitra tetikasa ity dia natao hanampy amin’ny dinika nasionaly, Tetikasa miorina amin’ireo fitakiana ataon’ireo mpanao hetsi-panoherana ankehitriny,tolo-kevitra tetikasa izay ahafahan’ny rehetra mandray anjara, indrindra ny tanora. Ny tanjona dia ny hanangana Repoblika mahaleotena, marina ary miray, izay miaro ny rariny, ny fahalalahana ary ny tontolo iainana,
Tanjona izay iraisan’ny Malagasy rehetra ho tratrarina, raha henontsika sy faritana ireo fitakiana ankehitriny amin’ny hetsika misy ankehitriny sy ireo hita amin’ny tambajotra sosialy.
Ny tanora malagasy dia miara-mientana hanana hoavy tsara kokoa ho an’ny firenena sy ny taranaka ho avy.
——————————————————–
La jeunesse malgache, consciente des multiples crises institutionnelles, économiques, sociales et environnementales que traverse Madagascar, exprime aujourd’hui un désir profond et urgent de changement. Face à un système qui montre ses limites et fragilise le vivre-ensemble, elle appelle à une réfondation en profondeur des structures politiques, sociales et économiques du pays. La génération Z et tous les Malgaches souhaitent profondément transformer complètement le système actuel. Ils ne veulent pas être de simples spectateurs, mais des partenaires actifs du changement.
Cette proposition de projet , basé sur la lecture des revendications actuelles sur le terrain, vise à soutenir un dialogue national où chacun peut participer, en particulier les jeunes. L’objectif est de bâtir une République souveraine, juste et unie, qui protège la justice, la liberté et l’environnement.
C’est un objectif que tous les Malgaches souhaitent atteindre, si l’on écoute et synthétise les revendications actuelles lors des manifestations publiques et celles qui circulent sur les réseaux sociaux.
La jeunesse malgache s’engage ensemble pour un avenir meilleur pour le pays et les générations à venir.





