Mandeha dia mandeha ny resaka eny amin’ny Capsat ankehitriny fa i Ranjeva Raymond hono no ho atao Praiminisitra hoan’ny tetezamita. Tena zava-doza no dikan’izany satria dia mbola lozabe hoan’ny firenena no vokatr’izany. Angaha tsy fantatry ny Capsat ny tantara nataon’ny fianakaviana Ranjeva teto Madagasikara. Ny Îles Éparses dia izy no isan’ny olana amin’ny tsy fahazoana azy ankehitriny. Ny rahalahiny Ranjeva Marcel dia isan’ny namadika ny fitondrana Didier Ratsiraka tamin’ny 2001-2002 iny. Tambin’izany dia natao governora ny Banky foibe tany Manakara Ranjeva zandrin’izy roalahy voalaza ireo ka zava-doza no nitranga tamin’ny fitondrana Marc Ravalomanana iny fa nanodina vola tao ity zandriny ity. Nosazian’ny fitsarana ary nalefa nandositra any ampitan-dranomasina ka hatramin’izao mbola tsy niverina eto Madagasikara.
Dia miseho ho raiamandreny ny malagasy indray i Ranjeva Raymond izay tohanan’ny frantsay sy jeneraly Ramakavelo ary ny jeneraly Razakarimanana. Ekena ny maha raiamandreny azy ireo saingy tsy ekena kosa ny hitantanany ny firenena ka hatao Praiminisitra vaovao hoan’ny fanovana izao. Tsy lany olomanga i Madagasikara ka hitono goaika.
Aoka handinika tsara ny GenZ sy ny Capsat ary ny FFKM fa sao tsy hitondra vahaolana hoan’ny firenena ny fametrahana olona ho Praiminisitra eo.





